10/02/2026
🌨🌧🌪🌨🌩
rehefa manomboka @ G hono ny anarana cyclone dia mafimafy izy zay, marina ve zany ? 😱😱
Tadidinareo ve :
Geralda, gafilo
Fa zay tsara fihomanana tsy tapohin'ny loza e 🙂😉
🚨🚨🚨
Vaovao farany momba ny rivo-doza GEZANI hita tamin'ny internet :
- Araka ny vinavinan’ny Météo France, Gezani dia efa nitombo ho Cyclone Tropical ary mety hahery kokoa ka mety ho Cyclone Tropical Intense alohan’ny hidirany amin’ny morontsiraka.
- Ankoatra ny rivotra mahery, Vinavinaina ihany koa fa :
- mety hitondra rotsak’orana be (100–150 mm/24h)
- manodidina ny ~150 km/h, miaraka amin’ny rafales mahatratra hatramin’ny ~210–250 km/h eo amin’ny faritra akaiky ny foiben’ny Gezani.
Samia miomana tsara daholo ary e : ny sakafo, ny fanamafisana/fahamailona zavatra mety ampidi-doza vokatry ny rivotra ny rotsak'orana.
Mirary soa antsika rehetra !
😊🤗
Sary : zoomearth