Tsara ho Anao

Tsara ho Anao Manjifa ny tsara nefa mora

❣️❣️Noely❣️❣️ Mamy ny foko ny fitiavanao ry RayDia ny nanomezanao ilay zanakao ho anayIlay tokanao nefa nafoinaoLasa sor...
25/12/2024

❣️❣️Noely❣️❣️
Mamy ny foko ny fitiavanao ry Ray
Dia ny nanomezanao ilay zanakao ho anay
Ilay tokanao nefa nafoinao
Lasa sorona hanome aina vao

Jesosy Kristy ilay nitondra ny fahotako rehetra
'zany ilay tena Fitiavana tsy misy fepetra
Ny ranao latsaka ilay ra fanavotana
Nanafaka tao anaty vovoka sy fotaka

Ianao ilay Andriamanitra telo izay iray
Ny fanahy Masina no tombokase ny nanagananao anay
Voavidy tamin'ny Ra izay tsy voasandam-bola
Sarobidy loatra Sady voavolavola

Fitiavana tsy misy mamy noho ny Anao
Porofo ny nanomezanao anay an'i Jesosy zanakao
Tamin'ny alalany no nampihavana ahy sy Ianao
Indrindra Ray fa afaka mihavana tontolo izao.

Noely anio, tsiaro fotsiny ihany
Tsiaro mana-danja fiandohan'ny famonjena ahy
Jesoa teraka hitondra famonjena
Maty ary nitsangana tamin'ny Fandresena.

Izany ilay Jesosy Tompo izay tompoko
Ilay mahery naharesy ny toloko
Ilay manome fiainana Sady mihavosa
Ao Aminy ny loharano misosasosa.

Asakasakao izay mbola misalasala
Fa izaho nanandrana dia tamana
Feno tsiky ao Feno fiadanana
Izany ilay tena tsy misy panana.

Fikafika raiso Izy ho Tompo sy mpamonjinao
Dia ho hitanao izany fiainana vaovao
Tsy miandry taona mifarana akory
Dia hisinda ireo rehetra mampahory.

FitahianaS

"... Fa ny mason'ny Tompo Andriamanitrao dia mitsinjo anao mandrakariva hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fi...
01/01/2024

"... Fa ny mason'ny Tompo Andriamanitrao dia mitsinjo anao mandrakariva hatramin'ny fiandohan'ny taona ka hatramin'ny fiafarany" Deotornomia 11. 12b Bonne année 2024🎉🎉

Narary izaho nandritry ny erinandro 💔tena tsy nahazaka ahy ny tongotro tratrin'ny Tazo.          FA, Androany misy promo...
15/12/2023

Narary izaho nandritry ny erinandro 💔tena tsy nahazaka ahy ny tongotro tratrin'ny Tazo.
FA,
Androany misy promotion zandry tany @ Université Maty 😭😭 tena nalahelo aho satria tazo koa ny nahafaty azy 💔💔💔
Nandray lesona aho 🙏😭💔
👉 Tsy tompony aina izaho sy ianao☠️ ka rehefa tapitra ny androntsika ety dia Maty😭
👉 Tsy mifidy taona io fahafatesana io fa rehefa alain'i Tompo ny aina izay mahavelona anao dia lasa enao, tsy manan-tsafidy, tsy misy miady varotra 😭💔💔
🔸Mahaiza mankasitraka an'Andriamanitra ny anananao anio 🙏🙏🙏
🙏 Raiso Jesosy ho Tompo sy mpamonjy anao. Mba hanananao Fanantenana hoe rehefa miala eto tany ity ianao dia ho any an-danitra.
🙏 Aza varina fiainana izao. Fa mandalo ihany ianao no eto. OMANO NY MANDRAKIZAY ANAO. 💫
✨Ao @ Jesosy dia misy fiainana be dia be efa omaniny ho anao. Izay MIFIDY an'i JESOSY 💌 Ihany no afaka hisitraka io vatsy tsinjo ho anao eto an-tany ary antokao any an-danitra any💫💫💫
Isaorana an'i Jesosy fa salama aho izao🙏🙏🙏
Izy no nanome Izy koa no naka Isaorana anie Andriamanitra 🙏 😥

Bonjour la famille en Christ,🔸Jehovah Jireh = Dieu qui pourvoit = Jehovah mahita 👁️ (Genesisy 22/14)Genesisy 22/1 -19: N...
06/11/2023

Bonjour la famille en Christ,

🔸Jehovah Jireh = Dieu qui pourvoit = Jehovah mahita 👁️ (Genesisy 22/14)

Genesisy 22/1 -19: Niteny tamin'i Abrahama Andriamanitra hoe ento ny zanakao lahy tokana dia ataovy fanatitra ho Ahy.
💘Ny maraina dia namaky kitay hanaovana sorona, nanisy lasely ny boriky, dia nandeha izy, ny zatovony roa lahy, ary Isaka.

Fanotanin'Isaka❓ : Handeha hanao sorona isika Dada fa aiza kosa ilay ondry??
Valiny Abrahama 👏 : Andriamanitra no mahita izay ondry hatao fanatitra ho dorana e.
Action (Gen22/11-13): Nanamboatra ny alitara - Namatotra an'Isaka zanany - Naninjitra ny antsy hamono azy. FA niantso ny anjelin'Andriamanitra hoe NON, hita teo ny fa mahatoky i Abrahama. 🎉

Nosolon'i Abrahama ny anaran'ilay tendrombohitra
Moria => Any an-tendrombohitra Jehovah no hahita.
🙏🙏 Gen22/16-18 : Fanekena nataon'Andriamanitra tamin'i Abrahama. 💌

LESONA :
1. Rehefa apanaovin'Andriamanitra zavatra ianao dia aza miady hevitra fa mankatoava fotsiny na dia tahaka ny tsy ho vita aza indraindray. Vitanao matoa ianao no napanaovina azy.
2. TEST ny Ambrahama : Fantany tsara hoe ho faty ilay zanany rehefa ataony sorona fa fantany koa hoe Andriamanitra no hanangana azy (Heb11/17-19) Nahafantatra fahamarinana momban'Andriamanitra izy.
3. Tsy hoe akory mi-test anao Andriamanitra satria mila mahafantatra hoe hatraiza ny finoanao. TSIA, fantany tsara hoe iza ianao, hatraiza ny finoanao. Fa amin'ny maha olona antsika dia mieritreritra isika fa tia ny Tompo mihoatra noho ny rehetra na hoe tsara lavitra noho ny rehetra. Dia ireny test na zava-tsarotra lalovana na ady hatrehana ireny dia nataon'Andriamanitra mba ahafahantsika mahafantatra hoe aiza ho aiza isika izao. Ary natao mba hanintsina ny lalantsika ao amin'i Tompo.

✨
08/08/2023

✨Sweat à capuche🔥✨✨Taille M✨✨👉Couleur rose
08/08/2023

✨Sweat à capuche🔥
✨✨Taille M✨✨
👉Couleur rose

👉✨Destockage ✨🎉💰💰Tout à 8000Ar 💸💸
08/08/2023

👉✨Destockage ✨🎉
💰💰Tout à 8000Ar 💸💸

🔥🔥Arrivage 🔥🔥        ✨ Taille L ✨
04/08/2023

🔥🔥Arrivage 🔥🔥

✨ Taille L ✨

🌟🌟 ARRIVAGE 🌟🌟🔥 Sweat pour homme 🔥💰Tout à 10000Ar💸
25/07/2023

🌟🌟 ARRIVAGE 🌟🌟
🔥 Sweat pour homme 🔥
💰Tout à 10000Ar💸

🌟🌟 ARRIVAGE 🌟🌟           🔥Sweat 🔥 💰Tout à 10000Ar💸
25/07/2023

🌟🌟 ARRIVAGE 🌟🌟
🔥Sweat 🔥

💰Tout à 10000Ar💸

Address

Antananarivo

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Tsara ho Anao posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Tsara ho Anao:

Share