30/05/2025
🌼METY HANAMPY ANAO ITY ARY METY HO ILAINAO FOANA 🌼
✅ Tezao ny sainao sy ny vatanao
Mila fahatoniana sy mazava ny sainao vao mamokatra, toy ny ilain'ny vatanao manao fanatanjahan-tena. Makà fotoana isaintsainana , mamaky boky , na makà fotoana ho an'ny tenanao raha tsorina . Ny saina milamina dia manome anao fahitana tsara Kokoa amin'izay fikasanao.
✅Mahareta amin'ny ezaka ataonao
Tsy misy zavatra avy dia voatsangana anaty andro iray . Manaova dingana iray isan'andro, dia ho hitanao ny vokatry ny faharetanao.
✅ Mianara miteny “tsia” .
Manan-jo hametraka fetra ianao mba hiarovana ny fotoananao sy ny herinao. Ny filazana hoe “tsia” dia tsy fitiavan-tena; izany dia manome fahafahana ny tenanao hiteny hoe "eny" amin'ireo zavatra tena manan-danja .
✅Ankalazao ny dingana kely efa vitanao.
Ny dingana kely rehetra dia midika ho fandrosoana. Aza mifantoka fotsiny amin'ny fandresena lehibe ho avy, fa makà fotoana hankalazana ny dingana tsirairay. Ny fitambaran'ireo dingana kely ireo no hitondra anao lavitra.
✅Omeo lanja ireo izay manohana anao
Didino amin'ny olona mino anao ny tenanao , ary mankasitraha azy ireo. Amin'ny fotoan-tsarotra dia izy reo No mampahery anao ary hampahatsiahy anao ny antony tsy maintsy hanoizanao ny dingana efa natombokao.🥺❤️
✅ Manetre tena amin'ny zava-bitanao
Matetika ny fahombiazana dia avy amin'ny asa mafy sy ny fanohanan'ny hafa. Mitazòna toe-tsaina manetry tena mandrakariva ary misaora ireo nanampy anao handroso.
✅Fidio ny adinao
Tsy misy dikany ny mandany ny herinao amin'ny fifandonana tsy ilaina. Alohan'ny hanehoanao hevitra dia manontania tena raha tena mendrika izany. Harena sarobidy ny fiarovana ny fahasambarana /fiadanana anaty.
✅Aza adino ny mankasitraka
Misaora isan'andro amin'ny zavatra rehetra . Ny lehibe indrindra hatramin'ny kely indrindra .❤Eny na @ tsara na @ ratsy .
Manova fomba fijery ny fankasitrahana ary mahatonga ny fiainana ho tsara kokoa.
✅Mangalà fotoana hialan-tsasatra .
Ny famokarana dia tsy midika hoe miasa tsy tapaka. Ny saina miala sasatra dia mamorona sy mahomby kokoa. Omeo fiatoana sy fotoana mahafinaritra ny tenanao.... ❤
✅indrindra indrindra ary ny lehibe indrindra , ANKASITRAO NY TENANAO .