05/06/2026
Ireto misy zavatra hita any amin'ny tokan-trano rehetra nefa mety hampidi-doza ny zaza :
1) Piles kely
Matetika misy piles kely anatin'ireny kilalao ireny na any anaty montres. Tsy tandritandrintsika nefa indraindray fa avelantsika lalaovin'ny zaza eo.
2) Fanafody
Ny fanafody dia tsy tokony atao takatry ny zaza mihitsy, eny fa na dia fanafodin-jaza ary.
3) Produits fanadiovana
Ny ankizy tia manandrakandrana. Tandremo mametrapetraka eau de javel, fanadiovana WC any takany fa zava-doza raha sanatria sotroiny.
4) Zavatra bilitika toy ny bokotra, kanety fa indrindra indrindra ilay kilalao mety misarasaraka kely ireny.
Raha mbola ankizy kely tia manao zavatra am-bava dia tsy tokony hivianana kilalao mety ho voateliny mihitsy.
5) Rano mafana
Tsy ny rano mafana anaty vilany ihany fa ny dithé na café mamay ireny tsy tokony atao any fa mety handoro azy ihany koa.
Izany akory tsy midika hoe tsy tokony hisy an'ireo rehetra ireo ao an-tokan-trano fa rehefa misy zazakely fotsiny dia mila mitandrina tsara ary tsy mametrapetraka zavatra eny rehetra eny.
Inona koa no tokony hitandreman'ny ray aman-dreny ?
Andao hifampianatra e