Mi'bika

Mi'bika 🇲🇬 Tongasoa eto amin'ny pejy
🌟MAEVA🌟

👉Manasa anao hanaraka ny pejy.

👌Fantatrao ve fa ny fahavalonao voalohany eo amin'ny fiainanao dia io vavanao io.📍Misy sivana 3 izay tokony ho fantatrao...
09/04/2025

👌Fantatrao ve fa ny fahavalonao voalohany eo amin'ny fiainanao dia io vavanao io.
📍Misy sivana 3 izay tokony ho fantatrao alohany hitenenanao:
1- Fantaro hoe marina ve ilay zavatra ho lazainao.
👉Matetika ny olona iray dia maika hiteny sy hitantara zavatra nefa tsy mamantatra akory hoe marina ve sa diso ilay ho lazainy.Fantaro tsara aloha alohany hitenenana ny fahamarinan'ny zavatra ho lazaina sao mampikorotana zavatra maro.
2- Mety hitondra fifaliana na fanafintohina na fahatezerana ny hafa ve ny zavatra ho lazainao?
👉 Saropady ny teny ary tsy miverina izany io ka hoe afaka kosehina fa rehefa voalaza dia tsy misy azonao atao afatsy ny azafady na fialatsiny nefa tadidio fa tsy mampiova zavatra izany raha toa ka nandratra ny hafa ilay nolazainao satria tsy voakosoka ao antsain'ilay olona iny teny nandratra iny.
Noho izany fantaro tsara izay ho lazaina sao hanimba ny hafa.
3-Moa ve zava-dehibe ny zavatra ho lazainao?
👉Mety ho marina ny zavatra tianao ambara ary mety ho tsara fa moa ve ilaina na koa manandanja amin'ilay olona ilazanao azy.Zava-dehibe eo amin'ny fiainany ve ny fahenony izany.

❌Fehiny saino tsara izay ho lazainao alohany itenenanao fa manandanja ny teny.
Zarao amin'ny hafa raha hitanao fa mahasoa anao ity.
Mirary soa daholo oh! 🥰

Address

Ampitatafika
Antananarivo

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Saturday 09:00 - 17:00

Telephone

+261348033394

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mi'bika posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share