19/04/2026
FIFAMELANA?? SAROTRA!?
💔 Tsy ny hadisoana no mandrava tokantrano…
fa ny tsy fahavononana hifamela.
Rehefa mitahiry lolompo ianao,
dia tsy ny vadinao ihany no marary…
fa ny fonao ihany koa dia mavesatra .
👉 Ny famelana dia tsy midika hoe adino ny zava-nitranga,
fa midika hoe misafidy ny tsy hitondra ilay ratra intsony.
👉 Tsy mora ny mifamela…
fa ilaina raha tiana ho velona ny fitiavana.
> “Mifandefera,ka mifamelà heloka ianareo, raha misy manana alahelo amin'ny sasany; tahaka ny namelan'ny Tompo ny helokareo no aoka mba hamelanareo heloka kosa..”
> — Kolosiana 3:13
🌱 Hafatra ho anao androany:
👉 Aoka tsy hatory miaraka amin’ny lolompo…
👉 Raha misy manelingelina ny fonao, resaho amin’ny fitiavana ny vadinao.
👉 Mamelà , na dia sarotra aza… fa manasitrana fo izany.
💬 Mentionné-o ny vadinao dia soraty: “Mifamela hatrany isika, ary mbola mifankatia foana ❤️”
Ho tahian’Andriamanitra ny fifankatiavan'ny mpivady!