Jelao Fashion Mode

Jelao Fashion Mode votre boutique de vestes pour homme et de chaussures de marque pour femme - Boutique malgache et chrétienne

12/11/2025

TSY HANGINA MANDRAKIZAY NY FITIAVAN'I JESOSY KRISTY ANAO

Iza moa izaho sy ianao no tsy maintsy tokony ho tiavin'i Jesosy Kristy?

Ho sahy hitanisa sy hiteny ve isika hoe satria izaho ohatran'izao sy izao, na koa sahy hiteny ve isika hoe satria izao nataontsika ho an'Andriamanitra?

Raha apetraka eo amin'ny mozana (balance) an'ny fahamarinana sy fahamasinana an'Andriamanitra isika dia tsy misy ho ampy lanja na dia iray aza! Impiry isika no tsy efa niovaova sy nivadibadika, inona no tsy efa fiainantsika tamin'ny lasa ary inona no mbola mety tsy fahatanterahantsika ankehitriny?

Manoloana ny maha isika antsika, manoloana an'ireo tantarantsika maro be, manoloana an'ny lasantsika, manoloana izay mety mbola fiainantsika androany, manoloana izay mombantsika tsy fantatsika fa fantany dia MISAFIDY NY TSY MITANA FAHATEZERANA JESOSY KRISTY FA MBOLA MISAFIDY NY MITIA ANTSIKA

Tsy baikona ny fitiavany anao, tsy forcena ny fitiavany anao, na iza manana dossier ratsy lava be mombanao, na manao ahoana ny fijerinao ny tenanao sy ny fijerin'ny hafa anao dia tsy mampiova ny fitiavany anao io izany.

Manana safidy ny tsy ho tia anao Izy, manana safidy ny ho tezitra sy hitahiry fahatezerana aminao Izy, manana safidy ny hanilika sy hanary anao Izy.
Izy anie marina, madio, masina, tanteraka, fahatsarana faratampony...fa EFA NISAFIDY NY HO TIA ANAO IO IZY DIA NISAFIDY NY HO TIA ANAO HATRAMIN'NY FARANY

Hainao?
NY FITIAVANY DIA EFA NISAFIDY FAMINDRAM-PO HO ANAO, REHEFA MIJERY ANAO IZY DIA FAMINDRAM-PO NO SITRAKANY FA TSY FANDRINGANANA

Mahari-po ny fitiavany, tsy te hangina, tsy te hitsaha-miteny fa te hiasa ho anao mandrakariva mandra-pandroso, mandra-piposaky ny famirapiratry ny fiainam-panahinao, ny toetranao, ny lafim-piainanao rehetra arak'izay tiany ho tanterahina aminao

Eny tsy hangina mandrakizay ny fitiavan'i Jesosy Kristy anao!
Amen

Manasa anao am-pitiavana izahay, Asabotsy 15 Novambra izao ( ary mandritry ny asabotsy maromaro): fotoam-bavaka mikasika ny lohahevitra ny fitiavan'i Jesosy Kristy anao.

Hatramin'izay mety efa renao foana izany teny izany hoe tia anao Jesosy Kristy, fa amin'alalan'izao fotoam-bavaka izao dia ho fantatrao, ho takatrao misimisy izany fitiavan'i Jesosy Kristy anao izany.

Ary vokatr'izay dia hisy zavatra be dia be ho sitrana sy ho afaka na ny ao anatinao, na ny fijerinao ny tenanao, na ny fanatrehanao fiainana.

Tongava ary Asabotsy 15 Novambra 9h30-11h
CFB Mre Tsiazotafo ( eo anelanelan'ny Pizzamania sy Maki Company)

Tongavasoa Tompoko

10/11/2025

VAVAKA: JESOSY KRISTY Ô, TSY HANARY AHY MANDRAKIZAY NY FITIAVANAO

Jesosy Kristy o, sambatra indrindra aho fa tena tianao
Raha misy tokoa fitiavana mety amiko indrindra, mety amin'ny foko indrindra, mety amin'ny toetrako, mety amin'ny maha izaho ahy dia ny fitiavanao

Ny fitiavanao no nikaroka ahy tany amin'ny fiainana mbola tena lavitra Anao
Ny fitiavanao no niandry ahy mandrapahatonga ahy tia anao
Ny fitiavanao namindra fo tamiko
Ny fitiavanao nanadio ahy sy nanangana ahy

Jesosy Kristy o, tsy mbola nisy na dia iray aza fitiavan'olombelona liana tamiko tahakan'ny fitiavanao ahy
Liana tamin'ny lasako ratsy ny fitiavanao
Jesosy Kristy o, tsy misy fitiavan'olombelona mifantoka tanteraka amiko tahakan'ny fitiavanao ahy

Manana fijery tsara ny amiko ny fitiavanao
Manana fo onena ny amiko ny fitiavanao
Mino ny fiovako ny fitiavanao
Mino ahy fa afaka ny havita zavatra tsara sy goavana ny fitiavanao

Misaotra Jesosy Kristy fa nifidy ahy ny fitiavanao
Na firy na firy, na mitombo na mihena isan'andro ny isan'ny olona ety ambonin'ny tany dia mahatadidy ahy ny fitiavanao
Tsy hoe tsy manana olona hafa ho tiavina Ianao dia voatery nifidy ahy fa safidin'ny fonao mihitsy ny tia ahy

Jesosy ô, fantatro fa tena tia ahy Ianao
Tiako ny fitiavanao ahy, mety amiko ny fitiavanao ahy, mahatsara ahy ny fitiavanao, mampety ny fiainako ny fitiavanao
Ilaiko isan'andro ny fitiavanao
Rivotra iainako ny fitiavanao
Hery lehibe ho ahy ny fitiavana
Mahasambatra ahy ny fitiavanao

Ny fitiavan'olombelo mety hanary ihany, ny fitiavan'olombelona mety hanadino ihany, ny fitiavan'olombelona mety hiovaova ihany, ny fitiavan'olombelona mety hivadibadika ihany fa ny fitiavanao Jesosy Kristy no maharitra mandrakizay.
Na inona fiainana atrehiko, na inona vanim-potoanan'ny fiainako dia tsy hanary ahy mandrakizay ny fitiavanao

Jesosy Kristy ô, azoko ianteherana, azo iankinana mandrakizay ny fitiavanao
Jesosy ô, raha sendra lavo aho dia areno amin'ny fitiavanao
Raha diso lalana aho, dia aza avela raha tsy hamerina ahy amin'ny lalana tokony ho izy ny fitiavanao
Iriko indrindra hanova ahy ny ato anatiko, ny toetrako, ny fisainako, ny fanaoko ny fitiavanao
Jesosy Kristy o, tsy ny fitiavako Anao no ianteherako hahavoavonjy ahy sy hampaharitra ahy hatramin'ny farany fa ny fitiavanao ahy

Amen

Hanasanay anao manokana, mandritry ny asabotsy, herinandro maromaro dia hianatra isika, handinika isika mikasika ny fitiavan’i Jesosy Kristy, ny lohahevitra dia ny hoe "JESUS T'AIME TELLEMENT"
Fotoam-bavaka izay inoanay fa hamenoan’i Jesosy anao, hikasihany anao, hanafahany anao, hanasitranany anao amin’ny alalan’ny fitiavany
CFB Mre Tsiazotafo
9H30-11H
Tongavasoa tompoko

FIRE FALL Ministries
Holy Firefall

06/05/2016

Address

Anjanahary
Antananarivo
101

Telephone

0341678199

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jelao Fashion Mode posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share