22/03/2026
Salama daholo indray ooh!👋🥰♥️ ity indray ary misy torohevitra manaraka ho aroso antsika 🌼
✨ Torohevitra hampalava volo haingana sy ho salama ✨
Te hanana volo lava, matevina ary mamirapiratra ve ianao? 😍
Tsy mila produits lafo foana, fa misy fomba tsotra sy voajanahary azonao atao isan’andro hanatsarana ny fitomboan’ny volonao 👇
🌿 1. Menaka voajanahary (coco, ricin, olive)
Ireo menaka ireo dia manankarena vitamina ilaina amin’ny volo.
👉 Hosory amin’ny hodi-doha 2–3 isan-kerinandro
👉 Avela ora vitsivitsy na alina iray raha azo atao
👉 Manamafy fakam-bolo sy manentana ny fitomboany
💆♀️ 2. Massage ny loha isan’andro
Ny fanaovana massage malefaka dia manampy ny rà hivezivezy tsara.
👉 Ataovy 5–10 min isan’andro
👉 Mampitombo ny oxygène sy nutriments tonga any amin’ny volo
👉 Manampy azy hitombo haingana kokoa
🧼 3. Fanasana tsy tafahoatra
Ny fanasana matetika loatra dia manala ny menaka voajanahary.
👉 2–3 fois/semaine dia ampy
👉 Mba tsy ho maina sy ho tapaka ny volo
🍃 4. Fampiasana produits malefaka
Safidio shampoing sy soin tsy misy produit mahery.
👉 Miaro ny volo tsy ho simba
👉 Manampy hitazona azy ho malefaka sy salama
🥑 5. Sakafo mahasalama
Ny sakafo no fototra amin’ny hatsaran’ny volo.
👉 Mihinàna atody, legioma, voankazo ary proteinina
👉 Manampy amin’ny fitomboan’ny volo avy ao anatiny
☀️ 6. Fialana amin’ny zavatra manimba
Aza mampiasa chaleur be loatra (fer à lisser, sèche-cheveux).
👉 Ireo no mahatonga volo ho maina sy ho tapaka
💡 Torohevitra fanampiny:
✔ Aza manao coiffure tery loatra (manimba fakam-bolo)
✔ Tapaho indraindray ny tendrony simba
✔ Mitandrema amin’ny produits ampiasaina
✔ Ary indrindra: mahareta, satria mila fotoana ny fitomboan’ny volo 😊
💬 Torohevitra tsotra ho an’ny hatsaranao isan’andro
📌 Araho ny page raha mila astuces sy conseils maro hafa! ✨