08/03/2026
🌸 Amin’ity andro iraisam -pirenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy ity, aoka hotsiahivina fa tsy tombontsoa na fanomezana manokana akory ny zon’ny vehivavy.
Fa Zon’olombelona fototra izy ireo.
• fanajana
• fiarovana
• fanabeazana
• fahaleovantena ara-toekarena
• fahafahana misafidy ny fiainany
Mbola maro amin’ireo zo ireo anefa no tsy hajaina, ary mbola voahitsakitsaka hatramin’izao.
Ilay antsoina indraindray hoe “fanaka malemy” dia izy ihany matetika no mitondra ny lanjan’ny fiainana sy manohana ny tontolo manodidina azy.
Ho an’ny vehivavy rehetra izay mijoro na dia eo aza ny tsindry sy ny fahasahiranana,
ho an’ireo izay mitondra andraikitra maro eo amin’ny fiainana,
ho an’ireo izay manome be nefa tsy voatery mahazo valiny mitovy amin’izany…Mankasitraka.
Enga anie amin’ity andro ity ny feontsika hiara-hitsangana, mba ho hajaina sy ho voaaro ho an’ny vehivavy rehetra manerana izao tontolo izao ireo zo ireo.
🌸 En cette Journée internationale des droits des femmes, rappelons que les droits des femmes ne sont ni un privilège, ni une faveur.
Ce sont des droits humains fondamentaux.
• le respect
• la sécurité
• l’éducation
• l’indépendance économique
• la liberté de choisir sa vie
Beaucoup de ces droits sont encore ignorés ou bafoués de nos jours.
Ce genre que l’on appelle parfois le “sexe faible” est pourtant celui qui, bien souvent, tient le monde à bout de bras.
À toutes les femmes qui tiennent debout malgré la pression,
à celles qui jonglent entre mille rôles,
à celles qui donnent sans toujours recevoir… Merci .
Qu’en ce jour, nos voix s’élèvent pour que ces droits soient respectés pour chaque femme, partout dans le monde.
Madame Tiana
Mahatsara ✨