IVLPFashion Madagascar

IVLPFashion Madagascar Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from IVLPFashion Madagascar, Design & Fashion, Antananarivo.

Salama daholo e, Mankasitraka sy mankatelina ny masoivoho Amerikanina tamin'ny fanohanana anay namolavola sy nanatontosa...
01/11/2024

Salama daholo e,

Mankasitraka sy mankatelina ny masoivoho Amerikanina tamin'ny fanohanana anay namolavola sy nanatontosa ity tetikasa Metamorphose ity U.S. Embassy Madagascar .

Misaotra betsaka ireo mpanohana ihany koa dia ny GEFP-Groupement des Entreprises Franches et Partenaires .

Misaotra betsaka ireo vehivavy 29 mirahavavy mianaka tamin'ny fahavononan'izy ireo nanatanteraka izany fiofanana izany ary nahavita izany hatramin'ny farany.

Dingana voalohany ihany iny fa ny irariana dia ny hisian'n fitohizana. Ny resaka tontolo iainanana dia adidintsika rehetra ka dia anjarabirikinay teo amin'ny sehatry ny lamaody iny tetikasa iny. Ny fanirianay dia hoe tafita ny hafatra ary mba ho rantsana hampita ireo hafatra any amin'izay misy azy any ihany koa anie ireto mpiofana ireto.

Ny tetikasa Metamorphose no mifarana ny amin'ity taona ity, fa ny hetsika ho fiarovana ny tontolo iainana lamaody kosa dia mitohy hatrany satria afaka ataontsika tsirairay eny amin'izay misy antsika tsirairay eny izany.

Ho arahintsika miandalana eo ireo vokatra noforonin'izy mirahavavy ireo fa dia aza miala lavitra e 😉😍

Mankasitraka sy mankatelina amin'ny fiarahana miasa ho an'ny lamaody tompon'andraikitra
05/09/2024

Mankasitraka sy mankatelina amin'ny fiarahana miasa ho an'ny lamaody tompon'andraikitra

Salama daholo e,Tamin'ny erinandro lasa teo moa dia nanao fitsidihana orinasa lehibe iray teny Andraharo teny ireo mpiof...
04/09/2024

Salama daholo e,

Tamin'ny erinandro lasa teo moa dia nanao fitsidihana orinasa lehibe iray teny Andraharo teny ireo mpiofana.

Izany no tanteraka moa dia nohon'ny fiarahamiasa tamin'ny GEFP-Groupement des Entreprises Franches et Partenaires izay hankasitrahana azy ireo.

Ndao arahintsika antsary izany ary e 😊😉

Mankasitraka sy mankatelina ny masoivoho amerikanina  sy fanohanana ny tetikasa 🙏🙏🙏
02/09/2024

Mankasitraka sy mankatelina ny masoivoho amerikanina sy fanohanana ny tetikasa 🙏🙏🙏

Salama daholo e, omaly no namarana ny fiofanana ireo vehivavy 29 nofaninay fito mianadahy. Namaranana izany fiofanana iz...
30/08/2024

Salama daholo e, omaly no namarana ny fiofanana ireo vehivavy 29 nofaninay fito mianadahy.
Namaranana izany fiofanana izany moa ny fizarana izay nataon'i Phanala .
Momban'ny "identité de marque" no nianarana tamin'izany. Nianarana tao anatin'izany ireo singa ilaina raha hamorona "marque" sy ny tokony ataon'izy ireo mba hanana ny mahaizy azy sy hampiavaka azy ireo amin'izany.

Tao aorian'izay koa moa dia niroso tamin'ny famaranana ny fiofanana ka isaorana etoana ireo mpiaramiasa nanohana anay tao anatin'izay fiofanana izay:
U.S. Embassy Madagascar
GEFP-Groupement des Entreprises Franches et Partenaires (GEFP)
BODO Diva's Page Ofisialy izay nanome ny toerana nahafahana nanaraka ny fiofanana
Tachou
Michael Vida
Eva
Gaona
Lucka Andriamahavonjy
Sariaka RAH Wedding
Phanala

Mankasitraka sy mankatelina antsika rehetra niaraniasa nahatanteraka iny fiofanana iny 🙏

Salama daholo e, Mitohy foana ny fianarana ho an'ireo mpiofana ary zavabaovao hatrany no zaraina  amin'izy ireo. Teto mo...
29/08/2024

Salama daholo e,

Mitohy foana ny fianarana ho an'ireo mpiofana ary zavabaovao hatrany no zaraina amin'izy ireo. Teto moa dia momban'ny fananganana "collection" no nianaran'izy ireo. Izany fiofanana izany moa dia niarahana tamin'i Sariaka.

Nofohazina tao anatin'izy ireo nandritran'izany ilay maso manana fomba fijerin'ny mpamorona mba ahafahan'izy ireo manana "capacité d'imagination " sy manosika azy ireo hahay mijery filatroana mpamorona lehibe.

Mba ahafahan'izy ireo misehatra 'ny famoronana moa dia nampitaina tamin'izy ireo koa ireo dingana arahina raha hanao famoronana. Isan'izany koa ny fampahafantarana azy ireo ny mahazavadehibe ny fahaizana ny "colorimétrie" sy ny "morphologie " mba hampirindra ny famoronan'izy ireo.

Nandritran'ny fampiharana nataon'izy ireo moa dia nanao "croquis de mode" sy nijery filatroana izy ireo ka nampihatra ny fanaovana "interprétation" an'izany.

Ndao arahintsika antsary izany 😉

Salama e,Erinandro vaovao, vina vaovao...Hianatra zavabaovao indray ireo mpiofana amin'ity erinandro ity. Marihana moa f...
26/08/2024

Salama e,

Erinandro vaovao, vina vaovao...

Hianatra zavabaovao indray ireo mpiofana amin'ity erinandro ity.
Marihana moa fa ity no erinandro farany hanaovan'izy ny fiofanana fa ny fampiharana any amin'ny misy azy avy ireo ny manaraka avy eo.

Ity indray ny fandaharampotoana ho an'ity erinandro farany ity.

Sariaka RAH Wedding
Phanala
Lucka Andriamahavonjy
Tachou
Gaona
Lambà by Eva
Michael Vida

Salama e, Ankoatran'ny "broderie" izay nianarana farany teo dia mbola nanohy nianatra fahaizamanao hafa indray ireo mpio...
24/08/2024

Salama e,

Ankoatran'ny "broderie" izay nianarana farany teo dia mbola nanohy nianatra fahaizamanao hafa indray ireo mpiofana. Teto moa dia Eva Lambà sy Lucka Andriamahavonjy no nitondra ny fiofanana ho azy ireo.
Nandritran'izany dia nampahafantarina azy ireo ny mahazava-dehibe ny fampiasana sy ny fisafidianana ny akora natoraly rehefa hamorona vokatra.
Teo ihany koa ny fizarana tamin'izy ireo ny fanomezana lanja ny akora misy eto an-toerana amin'ny fanodinana izany ho vokatra tsaratsara kokoa. Tao anatin'izany ihany koa no nianarana "points" vitsivitsy izay tena ilaina raha hanao "crochet" amin'ny rofia.
Ankoatra ireo moa dia zavadehibe ho azy ireo koa ny mahafantatra ny fomba fisafidianana ny akora sy ny fitaovana ilaina ary ny toe-tsaina takiana anatin'ny fanaovana "crochet".
Marihana moa fa nandritran'ny fampiaharana nataon'izy ireo dia nahavita "sous verre" vita amin'ny rofia sahady izy ireo.

Araho antsary nge e 😉

Ankoatran'ny zaitra moa dia nianatra fahaizamanao afaka hoentina manome lanja bebe kokoa ny asa famoronana izy ireo. Tet...
22/08/2024

Ankoatran'ny zaitra moa dia nianatra fahaizamanao afaka hoentina manome lanja bebe kokoa ny asa famoronana izy ireo. Teto moa dia niarahana tamin'i Michael Vida ny fiofanana manaraka.
Nianatra izy ireo ny mahazavadehibe ny resaka "valeur ajoutée" amin'ny akanjo. Isan'izany moa ny fianarana points de broderie izay afaka hoentina mampitombo lanja ny famoronana. Nianatra ihany koa izy ireo momban'ny atao hoe: fanaovana cotation mba ahafahana mamaritra ny vidin'ny akanjo. Nianarana tamin'izany moa hoe rehefa akanjo toy izao dia arak'izay koa ny ny karazana techniques de broderie ampiasaina.

Marihana moa fa isaky ny fiofanana dia manao fampiharana hatrany izy ireo ary misy entimody ihany koa mba ahafahan'izy ireo mampiahatra avy hatrany ireo traikefa hianarana mandritran'ny fiofanana.

Ndao indray jerentsika antsary izany 😉

Salama e,Satria moa resaka zaitra sy famoronana no hiompanan'ny fiofanana, noho izany dia nianatra ny fomba fanaovana "c...
20/08/2024

Salama e,

Satria moa resaka zaitra sy famoronana no hiompanan'ny fiofanana, noho izany dia nianatra ny fomba fanaovana "croquis de mode" sy "patron à plat" izy 28 mirahavavy niaraka t@ Gaona sy Phanala .

Seriny ery izy ireo nampiseho ny haingampanahin'izy ireo t@ alalan'ny "croquis". Misy ireo moa no efa misehatra 'ny zaitra nefa koa misy ireo vao hanomboka mihitsy, na dia izany aza nefa dia samy nikaondoha tao daholo izy ireo t@fanaovana "patron". Fianarana foana moa ny fiainana no sady misy fomba fanao azo hangalana lesona foana izay miseho eo.

Ndao arahintsika antsary izany 😉

Salama e, Vita iny ny erinandro voalohany @ fiofanana, hiditra  manaraka indray isika izao. Faly sady nazoto daholo izy ...
17/08/2024

Salama e,

Vita iny ny erinandro voalohany @ fiofanana, hiditra manaraka indray isika izao.

Faly sady nazoto daholo izy 28 mirahavavy niatrika iny tapany voalohany iny.

Ity indray ny fandaharampotoana ho an'ny erinandro manaraka ary e.

Mirary faran'ny erinandro finaritra ho antsika e 🥰

Gaona
Phanala
Michael Vida
Eva Lambà
Lucka Andriamahavonjy
Sariaka RAH Wedding

Salama daholo e, Ny talata teo dia niarahana tamin'i Tachou ny fiofanana momban'ny  : modélisme, technologie de vêtement...
15/08/2024

Salama daholo e,

Ny talata teo dia niarahana tamin'i Tachou ny fiofanana momban'ny : modélisme, technologie de vêtement, coupe par moulage, gestion de production sur le valeur ajouté recyclage et sur-recyclage.

Raha fintinina moa dia: fampahafantarana ireo toe-tsaina tokony hananana hahatongavana ho mpamorona matihanina sy ireo antanan-tohatra teknika tokony voafehy mba hahafahana manatanteraka ny nofy miainga ho tonga endrika amam-bika. Ankoatran'izay dia fanamafisana bebe kokoa ireo antony hidiran'ny mpikira ny tontolo lamaody amin'ny fikoloana ny tontolo iainana sy mba ho tompon'andraikitra @ alalan'ny fitarihana azy ireo amin'ireo karazana paika hanatanterahana izany.

Nadritran'izany fiofanana izany moa dia nomena fampiharana izy ireo momban'ny inspiration et gestion de production en up-cycling ka hisy ny collection izay ho ataon'izy ireo enti-mody.

Ndao nge arahintsika antsary ahitantsika fa tena feno tokoa ny fiofanana narahin'izy ireo.

Address

Antananarivo
101

Telephone

+261340299600

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when IVLPFashion Madagascar posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to IVLPFashion Madagascar:

Share