KINGA Varotra

KINGA Varotra Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from KINGA Varotra, Apparel & Clothing, Avaradoha, Antananarivo.

🌷💖 MIRARY FETY SAMBATRA HO AN’NY RENY REHETRA 💖🌷Amin’izao Andron’ny Reny izao, dia mirary fety sambatra ho anareo reny r...
31/05/2026

🌷💖 MIRARY FETY SAMBATRA HO AN’NY RENY REHETRA 💖🌷

Amin’izao Andron’ny Reny izao, dia mirary fety sambatra ho anareo reny rehetra aho. 🌹

Misaotra anareo amin’ny fitiavana tsy manam-petra, ny fahafoizan-tena, ny fikarakarana ary ny herim-po entinareo isan’andro ho an’ny ankohonanareo sy ny zanakareo. Ianareo no andry iankinan’ny tokantrano sy loharanon’ny fitiavana tsy mety ritra.

Enga anie Andriamanitra hitahy sy hiaro anareo mandrakariva, hanome anareo fahasalamana tsara, fiadanam-po, fahombiazana ary fahasambarana eo amin’ny fiainana. 🙏❤️

Ho an’ireo reny rehetra namako eto amin’ny Facebook sy Instagram, dia mirary andro feno hafaliana sy fankasitrahana ho anareo aho. Ankafizo ny andronareo, satria mendrika izany ianareo. 🌷✨

💐 Tratry ny Fetin’ny Reny!
Mankasitraka sy manaja anareo rehetra. ❤️

💎 Arahabaina ianareo vehivavy rehetra amin’izao andro maneran-tany ho anareo izao, dia daty 8 Marsa izany…🎉👩👩‍🦱🎉…Voaloha...
09/03/2026

💎 Arahabaina ianareo vehivavy rehetra amin’izao andro maneran-tany ho anareo izao, dia daty 8 Marsa izany…🎉👩👩‍🦱🎉…Voalohany indrindra dia misaotra an’Andriamanitra nampisy anareo hatramin’izay. Izany no mampiseho fa tena Hendry indrindra io Andriamanitra io, tamin’ny namoronany anareo vehivavy, satria anisany fahasambarana ho anay lehilahy ny fisianareo sy ny fananana anareo vehivavy…🙏❤️🙏…Faharoa manaraka izany, dia mirary ny soa sy ny tsara ho anareo vehivavy rehetra eo amin’ny lafim-piainanareo rehetra, ary mirary fahombiazana ho anareo eo amin’ireo adidy sy ny andraikitra izay tànanareo tsirairay avy…🥰🥰🥰…Ny andon’ny Lanitra sy ny tsiron’ny Tany anie harotsak’Andriamanitra manan-karem-pahasoavana ho aminareo vehivavy rehetra…❤️❤️❤️…Fifaliana ho ahy manokana ny mahita vehivavy misandratra ho any amin’ny ambony indrindra…💪🩷💪…Tahian’i Jesôsy ny vehivavy rehetra tsy ankanavaka…👧🧑‍🦰👩‍🦰👩👱‍♀️🧓👵👩‍🦳🧑‍🦳👩‍🍳👩‍🎓👩‍🏫🧑‍💼👩‍💼👩‍🔬🧑‍🔬👩‍🔧👩‍✈️👩‍⚖️🤵‍♀️👰‍♀️🤰💁‍♀️🙋‍♀️

SCREEN CLEANING KIT👉 Fitaovana fanadiovana : Téléphone 📱, Ordinateur portable 💻, Ordinateur du bureau 🖥️, Télévision 📺, ...
15/08/2024

SCREEN CLEANING KIT
👉 Fitaovana fanadiovana : Téléphone 📱, Ordinateur portable 💻, Ordinateur du bureau 🖥️, Télévision 📺, Appareil photo 📸📷, Camera 🎥📽️📹, Lecteur DVD 📽️, CD 💿📀, Imprimantes 🖨️ sy ireo fitaovana électronique maro hafa ihany koa.
👉 Manadio tsara ny écran sy ny vatan'ireo fitaovana voalaza ireo. 👌👍
👉 Prix : 35 000Ar na 175 000Fmg 💵
👉 Livraison : 3 000Ar na 15 000Fmg eto ANTANANARIVO renivohitra. 🏘️
👉 Téléphone : ☎️ 034 40 990 34 ☎️
👉 Mandefa any amin'ny faritra. 🚌

Address

Avaradoha
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when KINGA Varotra posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share