17/03/2026
🎉 4 TAONA 🎉
Anio dia faly izahay mankalaza ny faha-4 taonan’ny serivisy natolotray ho anareo.
Efatra taona lasa izay no nanombohan’ity aventure ity.
Nisy nofy lehibe, herim-po ary asa mafy tao ambadik’izany.
Tsy mora foana ny lalana nodiavina. Nisy ny fahasarotana, nisy ny ahiahy, nisy ny andro reraka… saingy ny zavatra iray tsy niova dia ny fanirianay hanome serivisy tsara sy hanamaivana ny andavanandronareo.
Tao anatin’izay taona maro izay dia maro ny zavatra niainantsika niaraka.
Maro taminareo no nitombo sy niova teo amin’ny fiainana. Nisy taminareo mbola célibataire tamin’ny nahatongavany ho mpanjifa, ary ankehitriny efa manambady, misy aza efa manana fianakaviana.
Faly izahay fa, na dia amin’ny fomba kely aza, dia isan’ny niaraka taminareo tamin’ny andavanandronareo izahay.
Betsaka taminareo no niara-nitombo taminay, ary izahay koa nitombo noho ny fitokisanareo. Ny fahatokisanareo sy ny fahatokianareo anay no nanome hery anay hanohy hatrany, na dia nisy aza ny fotoana sarotra.
Ny reharehanay lehibe indrindra androany dia tsy ny asa vita ihany, fa indrindra ny fifandraisana sy ny fitokisana izay natsangana niaraka taminareo nandritra ireo taona ireo.
Noho izany dia te hilaza izahay hoe :
🙏 Misaotra anareo mpanjifa rehetra
🙏 Misaotra anareo izay niaraka taminay hatrany am-boalohany
🙏 Misaotra anareo izay vao nanomboka niara-niasa taminay
Ireo 4 taona ireo dia fanombohana fotsiny. Mbola hanohy hiezaka isan’andro izahay hanome serivisy tsara kokoa sy mendrika ny fitokisanareo.
❤️ Misaotra amin’ny fitokisanareo.
❤️ Misaotra fa anisan’ny tantaranay ianareo.
🎉 Tratry ny tsingerintaona faha-4 Isika rehetra!