01/08/2026
Toy ity ravin-goavy ity tokoa ny fiainan'olombelona😢.
Mahalasa saina e? Anefa na tian-tsika na tsy tian-tsika dia izay no lalana efa voasirotra hatrany ampiadohana. Ny tiako ambara dia izao,na iza ianao na iza,na inona voninahitra na inona,na hanan-karena hatramin'ny zafim-paladianao,na bacc + 20 aza dia samy mbola ho antitra avokoa,ary hiafara amin'ny fahapotehina ara-batana. Koa inona izany ilay anamafisan-doha? Inona no anaovana fo vato tsy mihavana,tsy mahay mamela heloka?😟 Eny. Manaiky aho fa Tsy mora tokoa ny anao dingana voalohany amin'ny firesahana amin'ny olona manana olana aminao na ananao olana,saingy raha mbola olombelona miloloha lanitra sy manditany dia tokony anao fifampiraharaharana eo amin'ny olona samy olona,mba tsy anan-tsiny koa eo anantrehan'Andriamanitra🙏🙏 Diso be mantsy ilay hoe efa nivavahako ny ahy ny tenako fa iavonavonako iny olona iny!! Dia tsy ihaino ny vavakao akory Andriamanitra Raha izay! satria misy devoir mila atao,dia inona? Regleo aloha ny aminareo samy olona zay izy vao mamela heloka. Lava ny tenako fa Zao,anao ny sisa🫵🏾. Tsy atoro voanjo adiana ianao.Merci be
Sur foana.