13/05/2023
Ary raha atao cupcake indray ny m**omamy mariazi-nareo ?
Ny m**omamy mariazy dia fomba Romanina. Tamin'izany fotoana izany, ny fanambadiana dia nankalazaina tamin'ny famakiana m**o teo amin'ny lohan'ny ampakarina mba hanehoana ny fahavokarana sy ny fanambinana ny mpivady. Rehefa nandeha ny fotoana, io fomba io dia nivoatra ho lasa m**omamy mariazy fantatsika ankehitriny, ary niparitaka eran’izao tontolo izao. Ary ahoana moa raha soloina Cupcake ilay Gâteau traditionnelle de mariage ?
Miavaka amin’ny mahazatra
Ny cupcake dia safidy miavaka noho’ny m**omamy efa nahazatra an-tsika. Azo aseho amin'ny fomba hafakely izy rehefa eny ambony latabatra. Alahatra ami’ireny “présentoire à cupcakes” (izao hita amin’ny sary) ireny, izay manome endrika kanto ery !
Afaka mifanaraka amin’ny tsiro tian’ny rehetra
Ny cupcakes dia azo atao manokana mifanaraka amin'ny tsirony sy ny tiany ny vahiny tsirairay. Afaka misafidy ny tsiro sy ny créme samihafa ianao,ary azonao atao ny misafidy tsiro maromaro.
Mora zaraina
Mora aroso sy zaraina amin’ny vahiny ny cupcakes, satria efa mitokatokana. Midika izany fa tsy ilaina ny manapaka na manolotra tsirairay ny silaka.
Azonao haingona amin’izay tinao rehetra
Ny cupcake dia manana endrika tena isan-karazany ary azo voaravaka amin'ny fomba samihafa mba hifanaraka amin'ny hatsarana sy ny lohahevitry ny fampakaram-bady. Ny safidy haingo dia saika tsy misy farany, noho izany dia azonao atao ny misafidy ny lokony, ny poziny sy izay rehtra atao aminy.
Mora vidy
Ny cupcake dia safidy mora kokoa noho ny m**omamy mahazatra satria mitaky asa sy fitaovana kely kokoa izy ireo. Izany dia afaka mitahiry vola ho an'ny lafiny hafa amin'ny mariazy ianao mivady.
Raha tapa-kevitra ny hisafidy cupcake ianao mivady ho an’ny mariazinareo ianareo dia izahay ato amin’ny Cutie Pie MDG dia afaka manampy anareo. Manomboka 3000ar ny vidin’iray, miova arakaraki’ny tsiro sy ny haingony. Mety ihany koa raha ho ana anniversaire, baptême sy izay évènement izay tianao rehetra !
Raha mila fanazavana fanampiny dia afaka mandefa message ami’ny page na miantso ny laharana : +261 34 85 443 12