22/09/2025
ARAKA NY FITARAINANA đđđ
âïžHoy ny vadin'i LEDA:
Diso ve aho raha mizara ity aminareo ny fahoriana manjo anay mianaka...
Ny vadiko dia mamono anay vady aman-janany isan'andro. izy dia mpilalao baolina malaza tao aminâny Barea taminâny 2019, ilay goal Leda.
Ilay zanakolahy kely 14 taona miezaka miaro ahy satria nodarohany foana aho sady noroahany hoe "mandehana mandeha fa tsisy anao ato aminâity trano ity, ny andro alina."
Dia mba niaro ahy mamany ilay zanako kely dia izy indray no darohanâi Leda sady miaraka aminâny ompa sy ny teny ratsy variraraka.
Efa faramparany vao tonga saina aho nametraka finday ni-enregistrer ny sary satria izay izy vao tonga saina hoe filmer-na miafina, fa efa vono sy daroka ela be ny talohanâio.
Nitory tao aminâny police TsaralalĂ na taminâny sabotsy teo aho, dia omaly convoquĂ© tany izy. Dia androany mbola miverina any aminâny police indray aho.
Dia matahotra be ankehitriny izahay mianaka fa manindrinindry be i Leda hoe éataovy izay fitoriana fa tsy hahavoa azy".
De mba mangataka partager max mum ho antsika rehetra mba ho itan'ny manampahefana ambony ity tranga ity
(C) Zava-Misy ATY