28/07/2026
Akory aby e 🤝
Vita Malagasy, kolontsaina voatahiry, endrika havaozina. ❤️🇲🇬
Inona ary zany hevitra ampitainay ho anareo zany?
🤔Matetika misalasala isika rehefa hitafy ny akanjo vita malagasy misy petakofehy satria SOGA MISINTONA no tonga ao antsaina.
👉Fantaro anefa fa raha ny tokony ho izy, dia sasana aloha ny lamba Soga vao didina sy zairina, ary tsy mifintina intsony izy avy eo.
Ankotr'izay reto : Eto amin’ny SATA Malagasy, mino izahay fa ny ✨kolontsaina dia miaina sy mivoatra. ✨
🌺Tsy voafetra amin’ny karazana lamba iray ihany ny maha-Malagasy, fa hita amin’ny endrika, ny asa tanana, ny antsipiriany ary ny fahaiza-mamorona.
Ny lamba rehetra afaka asiana petakofehy (broderie artisanale), dia afaka mamoaka tsara ny hatsaran’ny endrika Malagasy. 🇲🇬✨
Omenay ohatra amin'ireo lamba tena meva ianareo haingona petakofehy :
🧵Lin
🧵 Coton lin
🧵 Vrai coton
🧵 Toile drap
🧵 Toile métissée
🧵 Tergal
🧵 Gabardine
🧵 Satin lourd
🧵 Crêpe lourd
sy ny maro hafa...
Tsy voatery ho lamba soga ihany vao atao hoe akanjo Malagasy.
🇲🇬 𝑵𝒚 𝒂𝒔𝒂 𝒕𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚 𝒏𝒐 𝒎𝒂𝒏𝒐𝒎𝒆 𝒍𝒂𝒏𝒋𝒂 𝒏𝒚 𝑽𝒊𝒕𝒂 𝑴𝒂𝒍𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚.
😍Asehoy anay ao amin'ny commentaire anie ilay gasy ka manja any aminareo e !