Fizaram-baovao-Samihafa

Fizaram-baovao-Samihafa Izay liam-baovao, liam-pandrosoana

⛔ ATAOVY AMPY RANO TSARA NY ZANANTSIKA HANAO FANADINAM-PANJAKANA Rehefa mangatsiaka tahaka izao ny andro dia kamo isika ...
03/06/2026

⛔ ATAOVY AMPY RANO TSARA NY ZANANTSIKA HANAO FANADINAM-PANJAKANA

Rehefa mangatsiaka tahaka izao ny andro dia kamo isika indraindray ny misotro rano kanefa dia tena ilaina dia ilaina ny misotro rano na dia anatin'ny vanim-potoanan'ny ririnina aza.

Manodidina ny 70%-n'ny atidohan'olombelona manko no rano. Noho izany, rehefa tsy ampy rano ny vatana dia mety hihena ny fifantohana, hiharatsy ny fitadidiana ary hahatonga havizanana.

Maro ny olona no tsy mahafantatra fa ny atidohantsika dia ahitana rano eo amin'ny 70% hatramin'ny 75% eo ho eo. Midika izany fa tena ilaina amin'ny fiasan'ny atidoha ny rano.

Rehefa ampy rano ny vatana:

✅ Tsara kokoa ny fitadidiana.
✅ Mora mifantoka amin'ny zavatra atao.
✅ Mandeha tsara ny fifandraisan'ny sela ao amin'ny atidoha.
✅ Mihena ny havizanana sy ny aretin'andoha.

Fa rehefa tsy ampy rano kosa ny vatana:

❌ Mety ho sarotra ny mifantoka.
❌ Mora manadino zavatra.
❌ Mahatsiaro reraka sy osa.
❌ Mety marary andoha na fanina.

Na dia fahaverezan-drano kely aza (1–2%-n'ny lanjan'ny vatana) dia efa mety hisy fiantraikany amin'ny fahaizana mieritreritra sy mifantoka.
💡 Torohevitra: Aza miandry ho mangetaheta vao misotro rano. Miezaha misotro rano matetika indrindra ho an'ireo ankizy izay hanomana fanafinam-panjakana toy ny CEPE, BEPC, BACC

🟢Tonga nanatrika ny dinika mihiboka teny Ambohitsirohitra ihany ny Monseigneur Ranarivelo Samoela Jaona, dinika izay ata...
03/06/2026

🟢Tonga nanatrika ny dinika mihiboka teny Ambohitsirohitra ihany ny Monseigneur Ranarivelo Samoela Jaona, dinika izay atao mahakasika ny fikaonandoham-pirenena hiarahana amin'ny Filohan'ny fanavaozana Kolonely Mickael Randrianirina sy ny Praiminisitra ary ny minisitry ny fanavaozana.

🔴Tsy mbola nisy feo nivoaka mahakasika ny dinika atao hatreto.

🔴Vinavinaina tsy dia hangatsiaka loatra ny ririnina ho amin'ity taona 2026 ity, araky ny nambaran'ny sampana mpamantatra...
03/06/2026

🔴Vinavinaina tsy dia hangatsiaka loatra ny ririnina ho amin'ity taona 2026 ity, araky ny nambaran'ny sampana mpamantatra ny toetry ny andro raha hoarina amin'ny toetr'andro ririnina mahazatra.

🟢Hibahana kokoa ny hafanana nohon'ny atsiaka indrindra ny maraina sy ny atoandro.

🔴Tsy tonga manatrika ny fihaonana mihiboka izay atao eny Ambohitsirohitra amin'izao fotoana izao ny Monseigneur Ranarive...
03/06/2026

🔴Tsy tonga manatrika ny fihaonana mihiboka izay atao eny Ambohitsirohitra amin'izao fotoana izao ny Monseigneur Ranarivelo Samoela Jaona hatreto.

🟢Ny filohan'ny fanaovaozana,ny Kolonely Mickael Randrianirina sy ny Praiminisitra lehiben'ny governemanta, Mamitiana Rajaonarison ary ny ministra misahana ny fanavaozana, Maître Razafimanatsoa Hanitra no tonga manao ny dinika anaty fihibohana miaraka amin'ireo filoha mpiara-mitantana ao amin'ny FFKM miisa 03.

Address

Analakely
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fizaram-baovao-Samihafa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share