Fototra-MAPESF

Fototra-MAPESF Ny voalohany dia izao: Mahazoa fahendrena; eny, lanio ny fanananao hamidy fahalalana tsara. (Oh. 4:7)

FIZARANA FAHADIMY: FIAKARAN’ILAY BIBIDIA AVY TAMIN’NY RANOMASINAShalom shalom,Ilazana isika fa efa azo alaina ny pdf ho ...
21/08/2026

FIZARANA FAHADIMY: FIAKARAN’ILAY BIBIDIA AVY TAMIN’NY RANOMASINA

Shalom shalom,

Ilazana isika fa efa azo alaina ny pdf ho an’ny seminera mitondra ny titra hoe “Ilay Bibidia Niakatra Avy Tamin’ny Ranomasina”, fizarana fahadimy.

Marihina, etoana, fa ity fizarana ity dia natao ho an’ireo Olomasin’ny Avo Indrindra, dia ny Firenen’i יהוה izay mitandrina ny fitambaran-dalàn’i יהוה manontolo. Koa raha mahatsapa tena ianao na ta-ho tafiditra ho isan’ireo olom-boafidy, dia natao ho anao koa ity seminera ity.

Raha tadidinareo tao amin’ny fizarana fahefatra izay nampiseho ny ady hataon’i Etazonia any Moyen-Orient, hahazoana ireo Arabo sy ny solitaniny mbamin’ny finoan-tSilamony, dia anatin’izao fizarana izao ny zava-kitranga manaraka, izay hatodika amintsika, Firenen’i יהוה.

Maro ny hafatra tena manan-danja ato, rehefa novahàna ny andininy farany: “… ary tamin’ny lohany dia nisy anarana fitenenan-dratsy” (Apokalipsy 13:1b).

Alaivo maimaimpoana etsy amin’ny taria ny PDF-nao!

NY TSARA HO FANTATRA MOMBA AN'I YAHWEH:Ny hery ao ambadik'izao rehetra izao dia tsy hery miafina fa tena olona iray mihi...
20/08/2026

NY TSARA HO FANTATRA MOMBA AN'I YAHWEH:

Ny hery ao ambadik'izao rehetra izao dia tsy hery miafina fa tena olona iray mihitsy, izay mitondra ny anarana hoe יהוה (Yahweh). Araka ny fikarohana ara-tsiansa sy ny fitsidihana ana habaka, voalamina tsara ny lanitra sy ny habakabaka, ary tsy lojika ny hinoana fa tsy misy fahefana mifehy izany. Manamafy ny Isaia 45:18 fa Izy no Zanahary sady namorona ny tany mba honenana. Ny anarany, izay voatazona ho tsiambaratelo, no "Tsiambaratelo Nafenina Indrindra eto an-Tany" araka ny arkeolojia. Araka ny Ohabolana 30:4 sy Eksodosy 3:13, dia zava-dehibe ny miantso Azy amin'ny anarany, ary tsy misy fomba hifandraisana Aminy raha tsy amin'ny alalan'ny Zanany, יהוה בּן יהוה (Yahweh Ben Yahweh) (Jaona 14:6).

Fanazavana fanampiny: https://fototra-mapesf.mg/Momba_An_Yahweh/

IZA MOA I YAHWEH BEN YAHWEHI יהוה בּן יהוה (Yahweh Ben Yahweh) dia Zanak'i יהוה (Yahweh), Mpampianatra Lehibe ao amin'ny ...
20/08/2026

IZA MOA I YAHWEH BEN YAHWEH

I יהוה בּן יהוה (Yahweh Ben Yahweh) dia Zanak'i יהוה (Yahweh), Mpampianatra Lehibe ao amin'ny Fonenana Selestialy, sady Mpitarika Ara-panahy no Mpamorona ny Firenen'i יהוה. Tonga tany Miami tamin'ny 1979 Izy, ary nitarika tamin'ny fomba M.A.P.E.S.F. (Manabe Ara-Politika, Ekonomika, Sosialy, ary Ara-Panahy). Ny asa masina nanirahana Azy dia ny hanangona ny ondry very, hamerina ny fandriampahalemana, ary hanangana ny fitondrana teôkratika. Tamin'ny 7 Mey 2007 no namitan'i יהוה בּן יהוה (Yahweh Ben Yahweh) ny diany teto an-tany ary nakarina tany an-danitra Izy mba hijoro eo an-kavanan'ny Rainy, יהוה (Yahweh) (Daniela 7:14).

Vakio misimisy: https://fototra-mapesf.mg/Momba_An_Yahweh_Ben_Yahweh/

IZA NO ANTSOINA HOE "MPANARA-DIA AN'I YAHWEH BEN YAHWEH"?Misy sokajin'olona telo ato amin'ny Firenen'i יהוה (Yahweh) ka ...
20/08/2026

IZA NO ANTSOINA HOE "MPANARA-DIA AN'I YAHWEH BEN YAHWEH"?

Misy sokajin'olona telo ato amin'ny Firenen'i יהוה (Yahweh) ka iray amin'izany ireo mpanaradia an'i יהוה בּן יהוה (Yahweh Ben Yahweh).
Ireo mpanaraka ny dian'i יהוה בּן יהוה (Yahweh Ben Yahweh) dia vondrona miavaka voafidin'i יהוה (Yahweh) ho amin'ny famonjena sy fiainana mandrakizay. Olona manana faharanitan-tsaina, mazoto miasa, mpianatra ary mpiara-miombon'antoka amin'ny lalàn'i יהוה (Yahweh) izy ireo. Maneho fitiavana, fahadiovana, fanajana ny fitsipi-pitondrantena, ary mandray anjara mavitrika amin'ny fanorenana ny Fanjakan'i יהוה (Yahweh) izy ireo.

Raha mila fanazavana misimisy: https://fototra-mapesf.mg/Ny_Mpanaradia_An_Yahweh_Ben_Yahweh

AHOANA INDRAY ARY NY FITAFY ARA-KOLON-TSAINA ATO AMINAY?Nandidy ny fomba fiakanjo tokony hananantsika i יהוה בּן יהוה (Y...
20/08/2026

AHOANA INDRAY ARY NY FITAFY ARA-KOLON-TSAINA ATO AMINAY?

Nandidy ny fomba fiakanjo tokony hananantsika i יהוה בּן יהוה (Yahweh Ben Yahweh), araka ny Apokalypsy 3:5, mba tsy ho voafafa ao amin'ny Bokin'ny Fiainana ny anaran'ny tena. Ny fitafiana lamba fotsy dia soatoavina avy amin-Janahary, יהוה (Yahweh) (Daniela 7:9, Apokalypsy 1:13-14), izay manamarika ny fahadiovana, ny fialana tamin'ny ota, ary ny fiverenana amin'ny lalàna mifehy ny Governemanta Teôkratikan'i יהוה (Yahweh).

Fanazavana fanampiny: https://fototra-mapesf.mg/Ny_Fitafy_Ara_Kolontsaina/

INONA AVY IREO ANDRO FIRAVORAVOANA ANKALAZAINA MANERAN-TANY VOIZIN'IREO "TENA" YAHWEHS MPANARADIA AN'I YAHWEH BEN YAHWEH...
20/08/2026

INONA AVY IREO ANDRO FIRAVORAVOANA ANKALAZAINA MANERAN-TANY VOIZIN'IREO "TENA" YAHWEHS MPANARADIA AN'I YAHWEH BEN YAHWEH?

Miisa Fito ireo Andro Firavoravoana Masina Lehibe isan-taona manara-masoandro, izay manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro. Anisan'izany ny P***a sy ny Fetin'ny M**o Tsy Misy Masirasira, ny Fetin'ny Herinandro, ny Fitsofana ny Trompetra, ny Andro Fanavotana, ary ny Fetin'ny Tabernakely (izay tanterahina ao amin'ny Embassy Suites Hotel, Houston, Texas eto Etazonia izany, ary hotontonsaina tsy ho ela ny fandaminana ao Manankasitsara). Ilaina ny fisoratana anarana mialoha amin'ireo fihaonambe ireo.

Tsidiho ny rohy: https://fototra-mapesf.mg/Ireo_Fetin_Yahweh/

NY TONTOLON'I YAHWEH: FANDAHARANA ARAHINA MANERANA IZAO TONTOLO IZAO, MAIMAIMPOANA, ATO AMIN'NY ONIVERSITEN'I YAHWEHTant...
20/08/2026

NY TONTOLON'I YAHWEH: FANDAHARANA ARAHINA MANERANA IZAO TONTOLO IZAO, MAIMAIMPOANA, ATO AMIN'NY ONIVERSITEN'I YAHWEH

Tantara mitohy milaza ny zava-nitranga tamin'ny Arivo Taona Fahatelo, ny nampahoriana ny Mainty hoditra tany Amerika nandritra ny 400 mahery taona, sy ny fomba nisehoan'i יהוה בּן יהוה (Yahweh Ben Yahweh) mba hanafaka azy ireo tamin'ny rafitra sy fanandevozana ary nitondrany fanantenana.

Mizara roa lehibe ny fandaharana ao amin'ny Tontolon'i Yahweh:
1- Ny Didin'i יהוה (Yahweh)
2- Niseho ny Mesia [יהוה בּן יהוה]

Araho mitohy ato amin'ny Fahitalavitr'i Yahweh: https://fototra-mapesf.mg/Ny_Tontolon_Yahweh/

NY NANOMBOANA AN'NY MESIA TENY AMIN'NY HAZOFIJALIANA:Ny 7 Novambra 1990 dia nisy fanafihana mitam-piadiana nataon'ny Gov...
20/08/2026

NY NANOMBOANA AN'NY MESIA TENY AMIN'NY HAZOFIJALIANA:

Ny 7 Novambra 1990 dia nisy fanafihana mitam-piadiana nataon'ny Governemanta Amerikana sy ny F.B.I. tamin'i יהוה בּן יהוה (Yahweh Ben Yahweh) sy ny mpanaradia Azy 16 tamin'ny alalan'ny rafitra R.I.C.O.. Na teo aza ny tsy fisian'ny porofo marina sy ny fampiasana vavolombelona sandoka (toa an'i Robert "Lying Bob" Rozier), dia voameloka i יהוה בּן יהוה (Yahweh Ben Yahweh) ary nisedra fijaliana mafy tany amin'ny fonja samihafa (Lewisburg, Raybrook, ary Miami) araka ny voasoratra fa hanjo an'i Kristy ihany, mba ho famonjena ho antsika.

Fanampim-panazavana: https://fototra-mapesf.mg/Ny_Hazo_Fijaliana/

NY FITANDREMANA IREO SABATANandidy an'i Adama sy ny mponina rehetra i יהוה (Yahweh) mba hitandrina ny Andro Fahafito ho ...
20/08/2026

NY FITANDREMANA IREO SABATA

Nandidy an'i Adama sy ny mponina rehetra i יהוה (Yahweh) mba hitandrina ny Andro Fahafito ho andro fitsaharana sy fankalazana ny asan'ny Famoronana ny rehetra (Genesisy 2:2-3, Eksodosy 20:8-10). Ny Sabata dia manomboka amin'ny filentehan'ny masoandro ka hatramin'ny filentehany indray, ary natao ho famantarana mivantana eo anatrehan'i יהוה (Yahweh) Zanahary.

Vakio misimisy: https://fototra-mapesf.mg/Ny_Sabata/

Address

Itaosy
Antananarivo
101

Opening Hours

Monday 09:00 - 17:00
Tuesday 09:00 - 17:00
Wednesday 09:00 - 17:00
Thursday 09:00 - 17:00
Friday 09:00 - 17:00
Sunday 09:00 - 17:00

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Fototra-MAPESF posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share

Category