21/03/2025
❌ FAHAVALON'NY FAHOMBIAZANA✅
🔺1-KAMO MIFOHA MARAINA
Manafana fandrina, rehefa mifoha dia mijery tele fa tsy manana planning ny journée.
🔺2 - MANAMBANY ZAVATRA KELY
Tsy vonona ny hanomboka amin'ny zavatra kely, amin'ny asa kely, amin'ny karama kely, amin'ny fandraharahana kely
🔺3 - MIJANONA MANIRY SY MANONOFY.
Tsy manomboka na mandray dingana tsikelikely mifanaraka amin'ny tanjona sy ny nofinofy fa miandry perfection sy manana millions maro vao hanomboka.
🔺4 - MANIPY ADISOANA AMIN'NY HAFA.
Tsy manaiky ny hakamoany fa:
Manome tsiny ny Dadatoany,
Manome tsiny ireo Ray aman-dReniny.
Manome tsiny ny mpamosavy.
Mieritreritra fona hoe misy manenjika sy be mpankahala.
🔺5 -TSY MANAO TAHIRY.
Izay vola miditra dia lany amin'ny revy sy ny la mode ary ny akama avy hatrany.
Tsy manao kajikajy amin'ny fandaniana.
🔺6- TSY MAHAZAKA MIJERY OLONA MAHOMBY.
Rehefa misy olona mavita zavatra, mahatsangan-javatra dia hialonany,
Rehefa misy mahay noho izy dia hankahalainy.
Rehefa misy tafa alohany dia hamavoiny.
🔺7-MIAINA MBA HANINDRY NY HAFA. Mividy zavatra ,manjifa zavatra lafo be mba ataon'olona fa manan-karena.
Ny loharanombola vitsy fa ny depense be dia be.
Manofa trano mitovy amin'ny karamany.
Ny vola miditra vitsy fa ny vola mivoaka be dia be.
🔺8- TSY MANOME ANDRAIKITRA NY ZANAKA.
Mi-Gâté zanaka trop loatra.
Tsy zariny manao raharaha ny zanany...
Tsy zariny manasa na dia ny bakirarony.
Aleony mampikarama olona manasa na dia ny caleçons ny zanany...
❌ Raha ianao ilay karazan'olona ao anatin'ireo sokazy ireo dia mbola tsy tara.😉