31/01/2026
Bonsoir daholy ny ato oh ☺️🥰
Iza koa no Liana👇🤔 araho hatrany
'i Rasazy
🌸 Perte vaginale : andao ho fantarina tsara
👩🦰 Ry vehivavy ô, zava-dehibe ny mahafantatra ny vatantsika.
Ny perte vaginale dia ranoka mivoaka avy ao amin’ny fivaviana, ary ara-dalàna tanteraka izany. Tsy aretina izy io, fa famantarana fa miasa tsara ny vatana 💗
✨ Inona no asany ?
✔️ Manadio ny fivaviana ho azy
✔️ Miaro amin’ny mikraoba sy infection
✔️ Mitazona ny fahasalamana ao anatiny
✔️ Manampy amin’ny fahavokarana rehefa tonga ny fotoana mety 🤍
🔄 Miovaova arakaraka ny cycle ny perte vaginale
🩸 Rehefa tonga ny règle
➡️ Ra no mivoaka, ary matetika tsy dia misy perte intsony.
🌫️ Aorian’ny règle
➡️ Vitsy be ny perte, mety ho maina na fotsy kely.
👉 Tsy dia avo loatra ny mety hahabevohoka.
🤍 Akaikin’ny ovulation
➡️ Mihamaro ny perte, lasa mangarahara, malama ary misintona (toy ny atody fotsy manta).
⏰ Ity no fotoana mety hahabevohoka indrindra.
🥛 Aorian’ny ovulation sy alohan’ny règle
➡️ Mihamatevina indray ny perte, fotsy na crème, ary mety hihena na tsy hisy.
👉 Famantarana fa manakaiky ny règle.
⚠️ Rahoviana no tokony hitandrina ?
🚫 Raha toa ka:
maimbo ratsy ny perte
mampangidihidy, may na maharary
mavo, maitso, na fotsy matevina tahaka fromage
misy ra ivelan’ny règle
👉 Dia aza miandry, fa manatona sage-femme na mpitsabo 🩺
Ny fahitana mialoha dia fiarovana ho an’ny fahasalamana 💙
Araho hatrany page tsika ato 🫶🙏
Manaova partage MBA ho itan'ny namanao😉😘