09/12/2025
Ireto misy erreur 3 tena tokony ialàna amin’ny entrepreneuriat :
1. Tsy fananana plan mazava
Betsaka ny mpandraharaha miditra amin’ny asa nefa tsy manana :
vision mazava
objectif voafaritra
plan d’action (marketing, vola, fotoana)
👉 Raha tsy mazava ny tanjona sy ny dingana, dia mora very sy ketraka.
---
2. Miantehitra amin’ny “feeling” fotsiny fa tsy manao étude de marché
Entrepreneur maro no manomboka projet satria “tiako io” nefa tsy fantatra hoe :
misy mpanjifa ve ?
tena ilaina ve ilay vokatra/serivisy ?
firy no vonona hividy ?
👉 Ny étude de marché dia ahafahana misoroka fatiantoka sy fahadisoam-panantenana.
---
3. Fampifangaroana vola manokana sy vola amin’ny asa
Io no fahadisoana mahazatra indrindra :
mandany vola amin’ny zavatra tsy tokony ho an’ny asa
tsy mazava ny fidirana sy fivoahan’ny vola
sarotra ny manombana ny tombony sy fatiantoka
👉 Tokony hanana kaonty misaraka sy gestion financière mazava ny orinasa.
mirary talata mahafinaritra ho antsika rehetra ô ❤️