24/02/2024
Salama daholo ehh 😍😍.
Mety misy manana volo be menaka angamba ato eh, ty misy astuce kely ho anareo 😍😘.
Somary mampijaly ny manana karazam-bolo be menaka satria sady miforetaka no tsy misy endriny ilay volo. Amin’izao andro mafana izao moa dia tena tsy hita intsony izay hanaovana azy. Tokony ho afaka mivoaka tsara ihany kosa anefa ny volo be menaka, raha mampiasa akora mitsabo azy, isan’izany ny “vinaigre de cidre”.
Hanasana loha Rehefa manasa loha dia tsara asiana “vinaigre de cidre” kely 1 na 2 sotro fihinanana ny “shampooing” fampiasa. Kosehina tsara tahaka ny mahazatra hodi-doha hiala ny loto sy ny ambikambina “produits”, dia kobanina avy eo.
Atao maska azo atao ihany koa ny manao maska amin’ny “vinaigre de cidre”. Atao ¼ kaopy ny fatrany, dia afangaro amin’ny menaka ôliva na diloilo kôkô ½ kaopy. Hosorana amin’ny volo sy ny hodi-doha io fangaro io, sady horina kely ny hodi-doha. Fonosana amin’ny servieta mandritra ny 30 minitra eo ny loha dia sasana tsara fotsiny.
Andramo kely ary oh 😘😘
Source: Jejoo
Avec Gina Marouara
Tiavo ny volo anananao😍
G-Glamour