Baby Love Toamasina

Baby Love Toamasina Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Baby Love Toamasina, Baby Goods/Kids Goods, Mangarano, Toamasina.

🍼Article Bébé disponible à Tamatave 👶Bavoir, Bonnet, Chaussettes, Chaussures et beaucoup d'autres 🚌Livraison possible selon zone 📞0345513624 Abonnez-vous sur notre page 🫶

FA MANINONA NY ZAZAKELY NO MITOMANY ELA BE ? Fihetsika iray tsy tokony ataon-tsika ray aman-dreny ambanin-javatra ny mij...
21/03/2026

FA MANINONA NY ZAZAKELY NO MITOMANY ELA BE ?
Fihetsika iray tsy tokony ataon-tsika ray aman-dreny ambanin-javatra ny mijery ny zazakely rehefa mitomany,
Indraindray mety noho ny :
Hanoanana
Lena ny couche
Mafana na mangatsiaka
Te hofihinina
Misy kibo marary na idiran'ny rivotra
💡 Astuce :
Ataovy amin’ny toerana milamina izy, fafazo moramora, ary ento amin’ny tratra akaiky.
Raha toa ka mbola tsy mitsahatry ny mitomany izy dia tsara raha ho entina any amin'ny pédiatre
Aza adino koa ny manome fitiavana sy fampitoniana azy fa zava-dehibe sy ilainy izany
ny page raha nahaliana Anao ny fizarana eto amin’ny https://www.facebook.com/profile.php?id=61580811557662

⭕Ny FANADIOVANA ORONA ZAZAKELY NA NY DÉSOBSTRUCTION RHINO PHARYNGÉ‼️ Betsaka ny ray aman-dreny no misalasala na matahoat...
19/03/2026

⭕Ny FANADIOVANA ORONA ZAZAKELY NA NY DÉSOBSTRUCTION RHINO PHARYNGÉ

‼️ Betsaka ny ray aman-dreny no misalasala na matahoatra manao ity fihetsika iray ity, nefa dia mety anampy sy anavotra ny zazakely izy ity. Ataovy DRP (désobstruction rhino-pharyngée) ny zanakao rehefa voan'ny sery, satria ny zazakely dia tsy mahay miaina amin'ny vava raha tsentsina ny orony, tsy mahay manisin-delo irery, ary mora sempotra.

✅ 𝗙𝗔𝗡𝗔𝗢𝗩𝗔𝗡𝗔 𝗔𝗭𝗬 :
👉🏾 Apatorio ny zaza, ataovy miorirana. Raha zaza efa mipetraka dia mety koa ny mipetraka na mitsangana.

👉🏾 Asio SSI (sérum salé isotonique) ilay seringue-nao, alaina ny fanjaitra aveo. Toa izao ny fatrany isaky ny mampiasa :
✨ 𝗭𝗔𝗭𝗔 latsaky ny 01 volana (3mL)
✨ 𝗭𝗔𝗭𝗔 latsaky ny 06 volana (5mL)
✨ 𝗭𝗔𝗭𝗔 06 volana hatr@ 02 taona (5-10mL)
✨ 𝗭𝗔𝗭𝗔 maheriny 02 taona (10mL)

👉🏾 Raha toa ka latsaky ny 06 volana dia apatoriana miorirana ilay zaza ka potsero tsy ankiambahamba ao anaty orony ambony ilay SSI ka mivoaka miaraka @ lelo @ orony ambany.

👉🏾 Afadimbiaso ny lavakorona, mandrapaha tsisy lelo madity intsony.
👉🏾 Fafao madio tsara ny orony, dia vita.
👉🏾 Averimbereno matetika anatiny iray andro. Indrindra alohany hampinono sy hampisakafo azy ianao.

❌ 𝗔𝗭𝗔 𝗠𝗔𝗧𝗔𝗛𝗢𝗧𝗥𝗔 𝗠𝗔𝗡𝗔𝗢 𝗔𝗭𝗬, aorirano tsara fotsiny dia tsy lasa any @ lalandrivotra ny SSI. Raha zaza latsaky ny 06 volana dia seringue 5mL no ampiasaina. Raha maheriny 06 volana dia seringue 10mL no ampiasaina.
🖋️Dr. Rakotonoel

ny pejy mba ahitanao zava-mahasoa isan'andro https://www.facebook.com/profile.php?id=61580811557662

19/03/2026

“Salama! Tongasoa eto amin’ny Baby Love Toamasina 💖
Page natokana ho an’ny ray aman-dreny sy zazakely 🍼
Manaraha ny page mba hahazo vaovao tsy ho ela! ✨”

Misaotra 🫶❤️

Address

Mangarano
Toamasina

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Baby Love Toamasina posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share