03/08/2022
Salama daholo mamans, futures mamans, papas, futurs papas oooo 😍😍
Tafiditra ao anatin'ny herinandron'ny fampinonoana isika izao. Tsy te hiresaka be aho satria efa hainareo fa hoe ny idéal dia ny mampinono.
Marobe isika no mi-juger ireny reny tsy mampinono ireny, kanefa tsy haintsika ny antony, andao re mba hatsahatra izany a 😊😊 tsy mampandroso anie ilay toe-tsaina mi-juger lava e 😀😀
Ho an'ireo mamans tsy afaka mampinono, na nisafidy tsotr'izao ny tsy hampinono, satria izay no tiany, tsy voatery hoe marary, na... , na.... Tsy voatery misy antony ara-pahasalamana fa tsy te hampinono tsotr'izao, tsy masa afala koa anefa 😅😅 aza mitady excuse anamarinan-tena fa izay tianao sy handrian'ny fonao atao.
Aleo manome biberon am-pitiavana, toy izay mampinono avec stress 😉😉
Ny zava-dehibe dia salama tsara ara-batana sy ara-tsaina ny reny sy ny zaza. Ary amin'izao androntsika izao dia tsy misy intsony izany hoe tsy ninono ny zaza 1 dia lasa farofy. Efa tena maro ireo ronono tena tsara, manakaiky be ny nonon-dreny. Misy zaza ninono foana juska 3 ans fa farofy, misy matanjaka be. Misy zaza tsy ninono hatramin'ny nahaterahany farofy be, misy matanjaka be. Misy zaza mixte hatramin'ny vao teraka fa farofy be, misy matanjaka tsara.
Donc tsy voatery izany no mamaritra hoe farofy na tsia ny zaza. Kanefa mila malina amin'ny fahadiovana sy fatran'ny ronono ary ireo mesures rehetra mifandraika aminy kosa anefa ireo tsy mampinono na safidy na narary na inona antony 😔😔
Izay ihany no teniko momba ity fampinonoana ity fa mampahery antsika rehetra. Mirary soa sy fahasalamana ho an'ny reny sy ny zaza, na minono amin'i neny izy na minono biberon 🍼🤱🧑🍼.
Lazao ao amin'ny commentaire izay cas misy anareo hoee 😊😊 samy maman tia zanaka daholo 😍😍