05/05/2025
Abonnez vous 👍
Lafo tokoa ny vovondronono fa andao asina astuce kely ary
Recette fampianarana vovon dronono
🔴ZAVATRA ILAINA
-Ronono velona
-Sotro na spatule hazo
-vilany sy afo
-Siramamy fotsy
-Hanitra sakafo (tsy votery)
-Plateau na lamba manify ary antsy
🔴Fikarakarana azy
➖Ampangotrahana ambony afo antonony ny ronono
Rehefa mangotraka dia arona tsy mijanona,mandram-pahazonao azy madity marihatra be toy ny crême.
🔸Atao very sasaka izy vao marihitra tsara izy dia atao malefaka ny afo rehefa mangotraka izy(ronono)
🔴Rehefa madity (dia sotro matevina angarona azy)dia esorina eo ambony afo,ary araraka anaty plateau ka avela ijanona eo mandritra ny ora iray(1h)
🔹Rehefa vita zay dia tetitetehana dia atapy andro hamainina
Arovana tsara amin'ny vovoka sy ny loto.
🔸Rehefa maina dia totoina amin'ny mixeur na broyeur, ary sivanina avieo
🔴Aorinan'izay rehetra izay dia ampina siramamy ka totoina fanindroany(2fois)
Dia sivanina farany mba hazoanao azy tena vovony malemy ,sy malefaka tsars
Zarao aminy hafa rah mba nisy noraisinao
Rah mety aminao dia asiko vidéo fanaovana azy koa eto 💖