06/06/2023
❤️
Tia anao Andriamanitra
Hitako hoe olana fototra mahatonga ny dépression amin'ny tanora maro be amin'izao vanim-potoana iainantsika izao ilay manantena be fitiavana amin'ny olona. Ankinina amin'iny olona iny ny fiainana iray manontolo dia vao misy zavatra tsy mifanaraka kely amin'ny saina ataon'ilay olona dia midéprime amin'izay avy eo. Rehefa misy an'ilay "dépendance affective" be loatra amin'ny olona ianao dia tsy maintsy tratran'ny dépression foana na haninona na haninona. Tsy tsara izany, ary lasa sampy ary ilay olona raha mbola mitohy amin'izany foana.
Fa androany aho tena te hisarika ny sainao manokana hoe raha tsy maintsy hidépendre amin'ny hafa. Amin'Andriamanitra re miankina anh, azo antoka anie Izy eh. Izy tsy hamela anao irery hangasihasy eo izany, Izy tsy olombelona ka hoe mbetika miraharaha anao dia mbetika tsy miraharaha anao. Fitiavana Izy, tsy miova na aiza na aiza, na inona na inona ataonao. Manatona Azy, ianao tsy lavorary io mihitsy, ianao be korontana io, ianao marary anaty sy kivy lalina io. Ianao manaiky sy miaiky tsy mahavita ny fiainanao. Ianao manaiky sy milefitra fa mpanota. Mila sasana mila dioviny amin'ny ran'ny Zanany Lahitokana. Miantoraka tanteraka Aminy. Ampianariny sy tarihiny amin'ny Fanahiny Masina dia mitombo tsikelikely ao Aminy. Avotsotra eo an-tànany ny fiainana rehetra dia mianatra Aminy isan'andro isan'andro. Fa ny fanatrehany sy fitiavana asehony amintsika isan'andro no mampijoro antsika tsara hiatrika ny fiainana andavanandro io.