03/05/2025
MITADY BUSINESS HATAO VE IANAO ☺️?
Betsaka tokoa isika no manontany anay ny business afaka atao.
Androany aho dia hizara aminareo ireo karazana business azonareo atao manomboka izao. Ny fanombohanareo azy anefa no tena zava-dehibe.
Ireto daholo ary izy ireo:
1. Varotra sakafo amoron-dalana.
Ohatra: m**o, sandwich, vary amin’anana, sns. Azonao atao eny an-tsena, amin’ny faritra misy olona betsaka, na amin’ny alalan’ny commande an-telefaonina ihany koa.
2. Fanamboarana sy fanjairana.
Raha mahay manjaitra ianao dia azonao atomboka amin'ny fanjairana sy fanamboarana akanjo simba ohatra. Afaka manokatra pejy ihany koa ianao mampahafanatra ny karazana zaitra ataonao na mampanao cours zaitra ihany koa.
3. Tolotra isankarazany.
Afaka manolotra fanadiovana trano ohatra ianao na birao na zaridaina, sns...
4. Mivarotra entana kely.
Ohatra mivarotra crédit téléphonique, menaka, vary amin'ny kilao...sns. Afaka atao amin'ny toerana misy fivezivezena betsaka izany. Na afaka atao ao antrano ihany koa raha mbola tsy mahita toerana ianao.
5. Mivarotra asa tanana.
Raha mahay asa tanana ohatra ianao toy ny fanamboarana bracelet, kitapo, asa hazo dia afaka amidy amin'ny tsena na pejy facebook izany. Raha tsy mahay asa tanana kosa ianao dia afaka mividy ny efa vita ka averinao amidy indray ilay izy avy eo.
6. Mampianatra manokana.
Raha mahafehy taranja iray ianao ohatra matematika, langue, informatika,guitare, na zavatra hafa dia afaka manome cours particulier amin'ny olona momba izany ianao.
7. Vente en ligne.
Mivarotra zavatra amin'ny alalan'ny Facebook, WhatsApp, tik tok. Betsaka ny zavatra azo amidy ohatra akanjo, kiraro, bijoux.....sns
Raha tsy manana fond kosa ianao dia afaka manao revendeur izany hoe ny entan'olona no averinao amidy ka mahazo commission ianao isaky ny mahalafo. (Mitaky ezaka sy faharetana be ny fanaovana azy ity)
8. Mivarotra sakafo vita an-trano.
Toy ny m**o mamy, gateau, croissant, cacapigeon, donut ka amidy amin'ny namana na fianakaviana. Afaka ami