Jejou Jejou

Jejou Jejou Prix abordables, articles de bonne qualité et livraison à temps �

27/12/2023
26/12/2023

NY KRISMASY SY NIHAVIANY
Raha mamaky ity fanazavana ity ianao dia manasa anao hanala ny hevitra mibahana mialoha ary handinika am-pitiavana izany.
Ny Krismasy dia tsy fety Kristiana velively, ary tsy nisy nankalaza izany ireo Kristiana taloha rehetra. Ny fitsanganan'i Kristy no fety nankalazaina tamin'izany fotoana izany. Tany Egypta no niandohan'ity Krismasy ity voalohany ny taona 283. Ary tsy Krismasy no nilazana azy fa Noely.
Dikan-teny: "Krismasy sy Noely".
Ny teny hoe "Krismasy na Christmas" dia fitambaran'ny teny hoe: "Christ" sy "Mass". Ny dikan'ny dia hoe: "Fankalazana ilay Kristy nirahina", ary azo atao koa hoe: "Fahaterahan'ilay nirahina na Jesosy".
Ny teny hoe "Noely na Noël" dia nalaina avy amin'ny teny grika hoe: "Neo" sy "Helios" izay midika hoe "Masoandro vaovao". Izany hoe fahaterahan'ny masoandro vaovao.
Ny Egyptiana dia manana ilay andriamanitra antsoina hoe: "Horus", io ilay andriamanitra masoandro hivavahan'izy ireo. Ary tsara ny manamarika fa manomboka ny volana Novambra ny vanim-potoana ny ririnina any amin'io faritra io. Ary isaky ny 25 Desambra no hankalazain'ny Egyptiana ny fiposahan'ny masoandro na ilay antsoina hoe fahaterahan'ny masoandro "Horus". Satria amin'io fotoana io no teraka ny masoandro. Ny Roma jentilisa ihany koa dia mpivavaka fatratra amin'ny andriamanitra ny masoandro antsoina hoe: "Mithra". Ka nekena io finoana Egyptiana io tamin'ny andron'ny amperora Aurelien. Araka izany, fetin'ny Jentilisa ny Krismasy fa tsy fety Kristiana satria natao hiankohofana amin'ny andriamanitry ny masoandro.
Ny Taona 354 TiK, dia lasa fety Kristiana koa ny Noely rehefa nampidirina tsikelikely tamin'ny alalan'ny amperora Constatin le grand. Ny paik'ady afahan'ny amperora Constatin mifehy ny vahoaka Romanina dia niova ho Kristiana izy. Ary nanomboka nankalazaina tany am-piangonana ny Noely, ary novaina ho amin'ny andron'ny masoandro ny fotoam-bavaka (Alahady = Sun + Day) nanomboka tamin'ny 321.
Tamin'ny andron'ny Papa X, dia nizara roa ny Kristiana rehefa tsy nitovy hevitra ny amin'ny fomba fanao ara-pivavahana, ny Katolika Romana sy ny Katolika ortodoxa izany. Rehefa nankatoavina ny fivavahana amin'ny andron'ny masoandro (Alahady), dia nanomboka nodinihina koa ny tokony hankalazana ny andro nahaterahan'i Kristy.
Ny Katolika Romana dia nanaiky ny hankalaza ny 25 Desambra izay fankalazana ny fetin'ny masoandro avy amin'ny finoana Jentilisa. Tsy natao hoe: fahaterahan'i Mithra intsony io daty io araka izany. Izany hoe fahaterahan'ilay andriamanitry ny masoandro antsoina hoe: Mithra, fa natao hoe fahaterahan'i Kristy, ilay masoandro fanazavana ny fiainan'ny Kristiana. Satria nihevitra izy ireo fa Jesosy no fahazavan'izao tontolo izao.
Ny Katolika ortodoxa kosa dia tsy nanaraka io finoana Katolika Romana io, fa nankalaza ilay fetin'ny Epifania, izay fety hankalazana ny fahaterahan'ny fahazavana isaky ny 05 Janoary. Ary io no daty nankalazan'izy ireo ny fahaterahan'i Jesosy satria fahazavana ho an'ny Kristiana i Jesosy.
Taorian'ireo fahasamihafana teo amin'ny Katolika Romana sy Katolika Ortodoxa ireo dia nisy ny fanaovana marimaritra iraisana ny amin'ny fahaterahan'i Kristy, ary tapaka fa ny 25 Desambra no daty iraisana. Io dia tontosa tamin'ny taona 354 TiK, ary lasa tonga fety Kristiana ny Krismasy ary hankalazaina isan-taona eo anivon'ny finoana Kristiana.
Ny 25 Desambra dia fankalazana ny SATURNIA, afaka manao izay ataon'ny olombelona rehetra. Ao ny mamo, ao ny manao vetaveta eny ankalamanjana ary maro ny lozam-pifamoivoizana mitranga. Ny tantara dia maneho fa ny alin'ny 24 Desambra dia natao sorona ireo andevo teo anivon'ny ireo Jentilisa mba ho fanomezam-boninahitra ny andriamanitry ny masoandro ary ny karan-dohany dia nahantona teo amin'ny hazo Sapin (Deo 12.31). Ny Sapin mantsy dia mariky ny fahefana (pouvoir), ary ilay karan-doha apetraka eo amin'ny Sapin dia maneho fa afaka mifehy ny olombelona ny fahefan'ny Satana. Taty aoriana dia nosoloina baolina kely ilay apetaka eo amin'ny Sapin satria iny dia tandindona (symbole) ilay karan-doha. Tsy tokony ny fahitana ny Sapin miravaka tsara no mahaliana, fa ny heviny eo amin'ny tontolo ara-pivavahana.
Ny 24 sy 25 Desambra no fotoana feno loza hamoizana hain'olona betsaka indrindra maneran-tany. Satria fomban'ny Satana ny manao Sorona amin'ny fetiny (Jeremia 7.18). Ary tsy mahagaga raha toa ka mena (rouge) ny fanamiana anaovan'ilay antsoina hoe: "Dadabe Noely" satria iny dia mariky ny rà mandriaka.
Araka ireo fanazavana ireo, Andriamanitra dia tsy manao marimaritra iraisana amin'ny fahefan'i Satana.
Ny rehetra dia resy lahatra fa tsy 25 Desambra Jesosy no teraka. Fa manaiky ny Kristiana fa andro natokana izy io mba hankalazana ny fahaterahan'i Mpamonjy. Hoy ilay mpanoratra malaza izay hoe: "Ny Baiboly koa dia tsy manondro ny daty marina nahaterahan'i Jesosy Kristy. Raha nihevitra ny Tompo fa tena ilaina amin'ny famonjena antsika izany, dia tsy maintsy nomeny antsika tamin'ny alalan'ny Mpaminany sy ireo apostoliny izany". Tonkatrano Kristiana, t. 77. Noho izany, tsy zava-dehibe eo amin'ny Kristiana ny fankalazana ny fahaterahan'i Jesosy. Fa ny zava-dehibe dia isika manome voninahitra Azy isan'andro fa tsy amin'ny andro iray.
Ity fanazavana ity dia natao mba afantarana ny tantara fa tsy natao kosa mba hamelezana ireo mankalaza ny Krismasy. Ilaina ny mahalala ny zavatra rehetra, ary izay hitanao fa tsara no tazomy fa ny ratsy kosa avelao.


🤣bonne semaine 😘
18/12/2023

🤣bonne semaine 😘

Profitez bien de l'été avec Jejou 🌼Combi-short très légère à petit prix .De 20.000 à 35.000ar seulement.Qualité 💯/💯 🥰
11/10/2023

Profitez bien de l'été avec Jejou 🌼
Combi-short très légère à petit prix .
De 20.000 à 35.000ar seulement.
Qualité 💯/💯 🥰

Coucou les filles 🥰Elaela an.... Nitondra zava-baovao ndray zahay 🤗 #7.000ar daholo izay itanareo eo."Jejou Jejou 🌼ny mo...
04/10/2023

Coucou les filles 🥰
Elaela an.... Nitondra zava-baovao ndray zahay 🤗
#7.000ar daholo izay itanareo eo.
"Jejou Jejou 🌼ny mora hatrany"

Vendu
18/05/2023

Vendu

15.000ar seulement .Mafana tsara 🤗
15/05/2023

15.000ar seulement .
Mafana tsara 🤗

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Jejou Jejou posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share