31/03/2025
Mba hampindra ny commandes dia mila vakina sy ekena ny CGV antsika manaraka ireto oh 🫶🏻 !
🤷🏻♀️INONA NO AMIDIN’I K.I Co ?
K.I Co dia page mivarotra karazana entana maro samy hafa, ho am-behivavy na koa ho an-dehilahy.
Ahitana akanjo, accessoires pour téléphones, fitaovan-dakozia, sns…
👉🏻 AONA ATAO RAHA ICOMMANDE ZAVATRA ATO AMIN’I K.I Co ?
Alohan’ny hanaovana commande dia aleo jerena tsara foana ny détails azafady.
‼️Izay mandefa contact sy lieu de livraison voalohany ao amin’ny mp ihany no mahazo ‼️🥳
👉🏻 PRIX EN ARIARY
Efa atao mirary dia mirary araka ny zaka ny rehetra ny prix any entana ato amin’i K.I Co, noho izany dia prix fixe daholy.😉
👉🏻 AFAKA MANAO RÉSERVATION VÉ ?
Eny ! Fa ny réservation mihôtran’ny 24h dia tsy maintsy mandefa acompte/avance 50%, izany hoe antsasakan’ny vidin’ilay entana.
‼️Marihina fa tsy afaka averina intsony ny acompte‼️😊
👉🏻 LIVRAISON
‼️Frais de livraison 3.000ar ‼️
Sur livraison ihany fa mbola tsy manana point de vente izahay.
Fa rah hoe tsy maintsy i récupéré ianareo de afaka manantona ao am Josi hotel bazar kely.🏠
Mba jerena tsara foana ny entana na andramana mihitsy izay vao manome vola amin’ny livreur ianareo.
Rehefa manandrana ny entana ohatra akanjo, dia tsy terena be rehefa tsy tafiditra. Raha sendra rovitra amin’iny mantsy dia tsy maintsy vidinareo.🤭
Rehefa tsy mety aminareo ny entana ka hoe averina dia tsy maintsy mandoa frais de livraison foana.
Tsy misy retour na échange intsony rehefa lasa ny livreur noho izany vérifiena tsara ny entana rehefa mbola eo ny livreur.
Tsy maintsy mandoa vola rehefa eo ny livreur fa tsy hoe : « Tonga dia mandehana aloha fa alefako Mvola any avy eo ! »😌
Ny frais de livraison koa tsy misy ady varotra an.
Miantso mialoha fona ny livreur izay vao makeny aminareo. Na rehefa anao récupération ianareo dia mila miantso aloha.
Raha hoe tsy tratra antso tampoka teo ianareo nefa efa nifampiresaka ka efa tonga any ny livreur dia tsy afaka ny hiandry anareo handray appel izy fa tsy maintsy manao livraison hafa.
Noho izany rehefa miverina any aminareo indray izy dia TSY MAINTSY MANDOA FRAIS INDROA ianareo.🙃
👉🏻 PROVINCES
Ho anareo any amin’ny faritra dia tsy maintsy aloa mialoha ny totalité. Ao anatin’izany ny frais de retrait, frais de livraison ary ny frais colis raha tsy PA.
Alefa Mvola na Airtelmoney 💚❤️
👉🏻 ARRIVAGES
Manao annonce foana izahay alohan’ny arrivage.
Mankasitraka amin’ny fiaraha-miasa🥰
K.I Co