25/08/2026
Fa na ao antrano na eny antokotany na any amin'ny cinéma na aiza zany hatahorana fona ny ainao 😬😬😬
Mahantra zahay misy mamono, mba mitady vola dia misy mamono ihany 😭😭
🕊️📸Antohomadinika : maty notafihan’ny jiolahy tao an-tranony i Rakotobe Nirina Mahery
Nodimandry androany teo amin’ny faha-41 taonany i Rakotobe Nirina Mahery, mpandraharaha, mpaka sary sy mpanatontosa horonantsary, taorian’ny fanafihan-jiolahy tao an-tranony tetsy Antohomadinika. Tsatok’antsy teo amin'ny tendany no nanala ny ainy sy nandaozany mandrakizay ny vadiny ary ireo zanany mbola kely.
Izy ilay maka sary sy mitahiry an-tsary ireo fotoana manan-danja teo amin’ny fiainan’ny hafa. Vao ny sabotsy teo izy no nanan-draharaha niaraka tamina ankohonana iray. Tamin’ny volana janoary 2023 i Mahery no nanangana sy nitantana ny RM STUDIO MG. An-jatony ireo efa afa-po tamin’ny asa vitany, ary nanana faniriana ny hampivelatra hatrany ny asa fandraharahany izy no izao nisy nisompatra izao.
🕊️Mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany sy ny fianakaviamben’ireo mpaka sary.
📸Sariny ny sabotsy lasa teo....