08/03/2024
Happy woman's day 💐❤️
Andro natokana hoan'ny fiadiana ny zon'ny vehivavy ny 8 martra. Fitakiana ireo zo heveriny fiaraha-monina ho zava-poana nefa misy fiantraikany amn'ny ilay vehivavy. Betsaka be izy ireo toy ny herisetra, ny tsy fanomezana lanja ny vehivavy eo am sehatran'ny asa, fiaraha-monina...sns.
Ny fampiharana io zo io anefa dia miainga avy aty ifotony, avy aty amin'ny fiaraha-monina. Ny fampianarana ny zazalahy hahay hanome lanja ny vehivavy sy ny zazavavy hahay ny zon'ny ka hametraka ny limite hoe hatraiza no tokony ho faharetany manoloana ny zava-mitranga aminy. Mbola be dia be koa ireo vehivavy minia manitsaka sy manaiky hoe "efa izany ny vehivavy...ny vehivavy natao hiaritra" TSIA anefa, tsy isika indray no hi-normaliser ny efa hita fa tsy mety. Sahia MITENY manoloana ny tsy rariny. Fantaro ny Zo-nao.
Mirary soa ny vehivavy rehetra 💖💖💖
Mafy isika sady mahavita zavatra 💪💐