Zaza Care

Zaza Care Parce que chaque moment est important, offrons le meilleur à nos enfants

19/06/2026

👵💛 Torohevitr'i Mamabe : Bouton kely amin'ny hoditry ny zaza, tokony hatahorana ve ?

« Indray maraina, teo am-pampiakanjo ny zanany i Lala, nahatsikaritra bouton madinika teny amin'ny takolaky ny zaza. Taitra avy hatrany izy... Sao marary? Sao misy allergie? »

Tony aloha ry Neny a 🌸. Matetika dia tsy mampidi-doza ireo bouton madinika miseho amin'ny zazakely ary mety hanjavona ho azy rehefa mandeha ny fotoana.

👶 Antony mahazatra mahatonga azy :
✨ Bouton kely matetika misy amin'ny zazakely vao teraka
✨ Hafanana sy hatsembohana
✨ Hoditra mbola marefo sy mbola eo am-pivoarana
✨ Vokatry ny rora na fitafiana mikasika azy

💡 Inona no azo atao ao an-trano ?
✔️ Sasao moramora amin'ny rano matimaty ny tarehin-jaza
✔️ Hamainina tsara fa aza kosehina ( lamba madio en coton no ampiasaina )
✔️ Ampanaovy akanjo vita amin'ny coton izy
✔️ Aza mampiasa vokatra misy hanitra mahery.

⚠️ Momba ny menaka voanio na huile d'amande douce :
Tsy soso-kevitra ny manosotra azy eo amin'ny tarehin-jaza raha tsy avy amin'ny mpitsabo no manome torohevitra. Mety hanentsina ny mason-koditra na hampitombo ny hidihidy izany amin'ny zazakely sasany.

🚨 Tsara manatona mpitsabo raha :
🔸 Mihamaro ny bouton
🔸 Mivonto na misy nana
🔸 Manavy ny zaza na koa tsy mahazo aina

💖 Hoy i Mamabe : « Mianatra miaina sy mitombo koa ny hoditry ny zaza. Ny faharetana sy ny fikarakarana am-pitiavana matetika no fanafody voalohany indrindra. »

16/06/2026

Un enfant habillé ZAZA CARE

👶💙 Pataloha zazakely 100% coton, malefaka sy mampahazo aina! 💙👶Ny filaminan' ny zanakao no laharam-pahamehana. Ireto pat...
16/06/2026

👶💙 Pataloha zazakely 100% coton, malefaka sy mampahazo aina! 💙👶

Ny filaminan' ny zanakao no laharam-pahamehana. Ireto pataloha zazakely vita amin'ny coton 100% ireto dia malefaka amin'ny hoditra saro-pady ary mety tsara amin'ny fiainan'ny zaza andavanandro. ✨

🍼 Habe : 0 - 12 volana
💰 Vidiny : 8 000 Ar monja
🌿 Lamba : Coton 100%, malefaka

Avelao ny zanakao hivezivezy sy hilalao am-pilaminana ao anatin'ny fitafiana mampahazo aina sy mahafatifaty. 🥰

📩 Manaova commande amin'ny MP
📱 WhatsApp / Antsoy : 034 26 284 34

⚠️ Vitsy ny tahiry, aza tara!

💖 Satria mendrika ny tsara indrindra ny zanakao kely.

Ny fijeriko nny anjara toeran’i Dada araka amin'ny maha-Reny ahy 👨‍👩‍👧‍👦💕Indray hariva izay...👩 Neny : "Dada, mba jereo ...
15/06/2026

Ny fijeriko nny anjara toeran’i Dada araka amin'ny maha-Reny ahy 👨‍👩‍👧‍👦💕

Indray hariva izay...

👩 Neny : "Dada, mba jereo kely ny zaza fa handeha handro aho."

👨 Dada : "Eny ary."

15 minitra taty aoriana...

📸 Laozany izy mianaka manao selfie
🎵 Ny " ... Crocodiles sy ny Eléphants ..." mandeha amin'ny TV
😂 Vanitika partie e !!!!

Zah gaga fotsiny

👶 Ny zaza mbola tsy nihinana.
🍼 Ny biberon nangatsiaka
😅 Fa samy faly be kosa izy telo mianaka

Tamin’izay aho no nahatsapa fa tsy mitovy foana ny fomba fitiavan’i Dada sy Neny. Ny an’i Neny matetika mikarakara sy mandamina, ny an’i Dada kosa mampihomehy sy mampifaly.

Mazava ho azy fa tsy mitovy ny papa rehetra an . Misy ireo tena mahay mikarakara, manova couche, mampatory ary manampy isan’andro. ❤️

Fa zavatra iray no azo antoka : rehefa misy Dada manatrika sy mandray anjara amin’ny fiainan’ny zanany, dia lasa feno fitiavana sy fahatsiarovana mamy kokoa ny fahazazana. 🥰

Ary ianareo maman, inona ilay zavatra mampihomehy indrindra nataon’i Dada niaraka tamin’i zanakareo ? 😄👇

15/06/2026

🎉 Misaotra anareo, mpanaraka 15 000! 🎉

Noho ny fitokisanareo sy ny fanohananareo dia mihalehibe hatrany izahay. ❤️

Misaotra, satria ianareo no mizara ireo fotoana, ireo tsiky ary ny fitomboan’ny zanakareo. Ny fahitana ireo zaza mitombo salama sy sambatra no iray amin’ireo antony lehibe manosika anay hanohy hatrany.

Misaotra anareo ray aman-dreny rehetra izay nanokatra ny fonareo sy nametraka ny fitokisanareo tamin’i Zaza Care. Faly izahay fa afaka mandray anjara, na dia kely aza, amin’ireo fotoana sarobidy eo amin’ny fiainan’ny fianakavianareo.

Tao anatin’ity dia ity dia maro ireo tantara, tsiky ary fahatsiarovana niarahana. Isaky ny hafatra fankasitrahana, isaky ny sary zarainareo aminay, dia mahatsapa izahay fa mihoatra noho ny pejy iray i Zaza Care fa lasa fianakaviana iray lehibe.

Anareo ihany koa izao fahombiazana izao. Tsy isa fotsiny ny 15 000, fa olona 15 000 naneho fitokisana, fanohanana ary fitiavana anay.

Mbola hitohy ny dia, mbola hisy ireo dingana vaovao ho tratrarina, ary manantena izahay fa mbola hiara-dalana aminareo sy ny zanakareo hatrany. 👶💕

Mankasitraka anareo amin’ny fonay manontolo izahay. Misaotra amin'ny fitokisana, ary misaotra amin’ny fitiavana. 💖✨

Mirary ny Soa sy ny Tsara indrindra hatrany 😘

💛 Zaza tony, ray aman-dreny milamina… 💛Ny tsy fahazon'aina amin’ny zaza dia matetika vokatry ny rivotra miditra rehefa m...
12/06/2026

💛 Zaza tony, ray aman-dreny milamina… 💛
Ny tsy fahazon'aina amin’ny zaza dia matetika vokatry ny rivotra miditra rehefa misotro ronono 😣
👉 Miteraka fanaintainana kibo, tsy fahazoana aina ary fitomaniana
✨ Ny biberon anti-colique dia natao hisorohana izany :
✔️ Manampy hampihena ny rivotra miditra
✔️ Tétine 0+ volana mifanaraka amin’ny fihinanan’ny zaza vao teraka
✔️ Manampy hampihena ny rivotra sy ny fanaintainana
🌿 Biberon vera – tsy misy BPA
➡️ Azo antoka kokoa ho an’ny fahasalaman’ny zaza
👶 Mety tsara ho an'ny zaza vao teraka
💰 Vidiny : 23 000 Ar
Satria tsy misy vidiny ny fahatonian’ny zaza…
👉 23 000 Ar dia tsy lafo raha oharina amin’ny filaminana sy fahasalamana ✨
📩 Afaka manontany amin'ny hafatra miafona
📱 WhatsApp / antsoy : 034 26 284 34

✨ Satria ny fahazoan’ny zanakao aina no laharam-pahamehana… ✨Ato amin’ny Zaza Care, tsy mifidy vokatra fotsiny izahay.Ny...
11/06/2026

✨ Satria ny fahazoan’ny zanakao aina no laharam-pahamehana… ✨
Ato amin’ny Zaza Care, tsy mifidy vokatra fotsiny izahay.
Ny safidinay dia mifototra amin’ny fitadiavanan'ny tsara indrindra ho an'ny zaza 👶🛁
💛 Transat mousse : natao ho an'ny vatan'ny zazakely
🌡️ Thermomètre : miantoka hafanana tonga lafatra
🧼 Baignoire : mora ampiasaina
Satria rehefa milamina ny zaza… milamina koa ny reniny ❤️
Mba ho fotoana mahafinaritra ny fotoana fandrona …
👉 Fotoana feno fitiavana sy fahazoan’aina
💰 Vidiny : 215 000 Ar
📩 Alefaso hafatra miafona dieny izao
📱 WhatsApp : 034 26 284 34
🚚 Livraison any amin'ny faritra manerana an'i Madagasikara

Ato amin’ny Zaza Care, miara-mitombo amin’ny zanakareo izahay 🤍Izany no mahatonga anay misafidy vokatra tsara kalitao, m...
10/06/2026

Ato amin’ny Zaza Care, miara-mitombo amin’ny zanakareo izahay 🤍
Izany no mahatonga anay misafidy vokatra tsara kalitao, maharitra ary ilain'ny zaza.

✨ VAOVAO eto aminay : Seza fihinanana (chaise haute) tsara kalitao
Natao hanampy ny zanakao amin’ny andavanandro, manome fiarovana, sy filaminana mandritry ny fisakafohanana.

💡 Nahoana no ity vokatra ity ?

Satria ny dingana rehetra amin’ny fitomboan’ny zaza dia mila ny tsara indrindra. Zaza Care dia misafidy vokatra azo antoka sy maharitra, hanamora ny fiainan’ny ray aman-dreny.

💰 Vidiny : 230 000 Ar
🚚 izahay ihany no manao ny livaison ary manao ny montage ihany koa raha ilaina izany. ( Mandefa any amin'ny faritra ihany koa izahay ary afaka atorinay en vidéo ny fanaovana montage )

📩 Mifandraisa amin’ny message privé
📱 WhatsApp : 034 26 284 34 na antsoy

✨ Malefaka  ary tena mahafatifaty ho an’ny zaza kely 👶💛Ireto body 100% coton ireto natao hanomezana fahafahana mihetsika...
09/06/2026

✨ Malefaka ary tena mahafatifaty ho an’ny zaza kely 👶💛
Ireto body 100% coton ireto natao hanomezana fahafahana mihetsikan'ny zanakao mandritry ny tontolo andro 🌿☁️

🧸 Tissu coton malefaka manaja ny hoditry ny zaza
🌬️ Matière respirante, mampahazo aina tsara
🍼 Ouverture à pression mora anolona zaza
💖 Design adorable sy tendance

Ataovy stylish sy mahazo aina tsara ny zanakao miaraka amin’ireo modèles vaovao ireo 😍

Taille dispo : 0 - 12 mois+

📩 Midira Hafatra Miafona raha liana
Afaka miantso ny 034 26 284 34
Mandefa any amin'ny faritra koa izahay

🧸✨ Ataovy mafana ny zaza amin’izao andro mangatsiaka izao ✨🧸Ity ilay ensemble 5 pièces ho an’ny zaza vao teraka 👶💛Vita a...
08/06/2026

🧸✨ Ataovy mafana ny zaza amin’izao andro mangatsiaka izao ✨🧸
Ity ilay ensemble 5 pièces ho an’ny zaza vao teraka 👶💛

Vita amin’ny 100% coton ary manana tissu épais sy malefaka, mety tsara hiarovana an’i bébé amin’ny hatsiaka 🌤️❄️

🍼 Ahitana :
✔️ Bonnet
✔️ Bavoir
✔️ Haut manches longues
✔️ Pataloha
✔️ Pataloha misy tongotra

🐻 Mahafatifaty sy malefaka
📏 Taille : New Born
💰 Vidiny : 17.000 MGA

🚚 Livraison manomboka amin’ny 3.000 Ar
📦 Mandefa manerana an’i Madagasikara 🇲🇬
📩 Raha hi-commande :
➡️ Midira MP
📱 WhatsApp / Antso : 034 26 284 34

Address

Avaradoha, Ampasampito
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Zaza Care posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share