14/04/2026
Misy fahadisoana iray ataontsika isan’andro amin’ny fanadiovana trano, nefa tsy tsapantsika akory…
Taloha, tsy nisy vokatra maro na safidy be tahaka ankehitriny ny fanadiovana trano. Ny olona dia niantehitra tamin’izay azo avy amin’ny natiora sy ny fomba nentin-drazana fotsiny ihany;
Ravinkazo no natao famafa, rano madio no nampiasaina, indraindray lavenona aza no nanampy hanesorana loto. Tsy namiratra be ny gorodona, tsy nisy hanitra mahery, fa nadio hita maso fotsiny.
Ny fanadiovana dia natao moramora, tsy nisy hamehana. Fantatra hoe inona no ampiasaina, aiza no ampiasaina, ary nahoana. Ny tanjona dia tsy hoe ho tsara jerena fotsiny, fa ho salama ny ao an-trano.
Rehefa nandroso anefa ny fotoana, niova ny fomba fisainana. Lasa betsaka ny vokatra, maro ny safidy, ary lasa nifantoka kokoa tamin’ny famirapiratana sy ny fofona isika. Madio amin’ny maso, fa indraindray tsy fantatsika akory izay tena ataon’ilay produit ampiasaintsika.
👉 Ny fahadisoana ataontsika isan’andro amin’ny fanadiovana trano dia ny fanadiovana “ho hita ivelany” fotsiny, fa tsy fanadiovana tena madio sy mety amin’ny trano sy ny olona ao anatiny.