Altesse / All Théis

Altesse / All Théis Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Altesse / All Théis, Apparel & Clothing, Antananarivo.

26/08/2026

Ankafizo isan'andro ny fiainanao ô 🥰
Manan-jo ny ho sambatra tokoa anie io fonao io eee 🥹✨

Hello 👑 ✨Ity kosa tena tsy aritro dia aleo zaraiko sy ampahatsiahiviko  anareo ato mihitsy aloha kaaan 🥰💌 Asehoy foana i...
26/08/2026

Hello 👑 ✨

Ity kosa tena tsy aritro dia aleo zaraiko sy ampahatsiahiviko anareo ato mihitsy aloha kaaan 🥰

💌 Asehoy foana izay tsara indrindra any anatinao any.
💌 Omeo ny tsara indrindra koa ny tenanao.

Soava ny andro aby eee❤️‍🔥

🥺 Amin'ny alahelo lehibe no ilazako aminareo fa io tarehinareo amin'izao io tsy hijanona ho otran'izao mandrakizay izany...
25/08/2026

🥺 Amin'ny alahelo lehibe no ilazako aminareo fa io tarehinareo amin'izao io tsy hijanona ho otran'izao mandrakizay izany mihitsy 😌
Afaka 10 taona any ho any raha ela indrindra dia tsy maintsy hiova izy ( mety ho misy tasy ve❓Kentrona madinidinika ihany koa ve❓ Mipoitra ho azy koa ny panda Ohatra ❓sns... izay tsy ho voatanisako eto )

👉 Ireny moa no manamarika fa mihamandroso ny taona ary mihaantitra ihany koa ny vatantsika

🥰 Isika tsy ahita tanora latsaky ny 18 taona hisy Kentrona izany mihitsy 🤪. Izany midika fa ireny kentrona ( rides ) ireny dia famantarana fa miroso ny taonantsika .

👌 Raha ny marina dia manodidina ny 30 taona eo no eo no tena hipoirany ary mitombo foana iny mandra-pahantitra raha tena tsy misaina ny hikarakara an'io tarehintsika io isika anie eeee 🥹

Soa ihany aloha fa azo sorahana tsara izy io 🫶

❣️ Ireto fomba vitsivitsy hotanisaiko ireto dia tsy manafoana izany akory an, fa mety mampihemotra sy mahaela ny fipoiran'ireo zavatra ratsy mety hitranga eny amin'ny tarehintsika ( Izany rahateo koa moa ny antony hikoloana ny vatana sy endrika amam-bika : mba ho tanora lalandava eny aloha na dia tsy hitsahatra hiroso eo aza ilay taona 🤣 )

⭐ Ankoatran'ny fanosorana produit na fanaovana soins sy fanarahana routine isan'andro izay efa nisy nozaraiko teto ireny dia zava-dehibe ihany koa ny :

🤎 Fanaovana fanatanjahan-tena toy ny mihazakazaka, miditra salle de sport, milomano, manao foot ball na basket ball sns ...💪
🤎 Fitandremana ny sakafo miditra ao am-bavantsika mba ho ara-pahasalamana hatrany , ny fisotroana rano ampy tsara isan'andro koa tsy tokony hohamaivanina 💦
🤎 Fandajalanjana ny stress mba tsy hiasa saina be loatra fa iny no mahavetivety dia antitra . Ny fahakizitinana koa tena halaviro 😆.
🤎 Fahampiana torimaso amin'ny alina izay hamafisiko eto mandrakariva 🌚
🤎 Fiarovana ny hoditra amin'ny masoandro rehefa mivoaky ny trano amin'ny alalan'ny crème solaire na satroka sns ...🌞

Tsy ho vita androany dia androany daholo akory ny mitandrina an'ireo rehetra ireo an 🤭🤣 fa atombohy tsikelikely e 👣
Ny tanjona dia mba ho lasa fahazarana tsara ho anao ny mitandrina an'ireo , ao anatin'ny fotoana maharitra fa tsy hoe ao anatin'ny herinandro ihany dia kamo tsy te hanohy intsony 🫠

Dia averiko foana moa ity teniko ity hoe : " Tsy misy olona azonao hianteherana andeha hikarakara ny tenanao izany afa-tsy ianao tompony ihany " 💚
Tsy mahafatiantoka anao mihitsy ho'aho ny manokana fotoana sy mahafoy vola ho an'io tenanao io 🤩

💎 Mirary soa mes Altesses 👑💫

25/08/2026

Avoir une sœur et meilleure amie à la fois est un cadeau 💝

💕 Merci infiniment d'être toujours là pour moi, ma jumelle adorée Jeshelle Fahasoavana Théis 🩵💜

" KAMO aho izany 🥺"Farafahakeliny angamba indray mandeha isan-kerinandro ianao mampiasa an'io teny io 🤭 Mety hoe KAMO hi...
24/08/2026

" KAMO aho izany 🥺"

Farafahakeliny angamba indray mandeha isan-kerinandro ianao mampiasa an'io teny io 🤭

Mety hoe KAMO hifoha maraina ?
Mety ho KAMO hianatra ihany koa ?
Malaina sy KAMO andeha hiasa ilay voalohan'ny herinandro toy izao ?
KAMO hiketrika sy hanao ezaka amin'ilay dingana tianao tratrarina ao aoriana ao ?

Iza tokoa moa no tsy maniry mba hipetrapetraka sy haka aina maraina mandra-paharivan'ny andro eeee 🤣🤣

Fa mitondra inona eo amin'ny fiainantsika tokoa anefa io haKAMOana io 🥱 ?
Valiny izay efa hainao tsara : TSY MISY 😌
Izany hoe tsy mandroso isika nefa mety mihemotra koa annn 😝🤣
Tena mahatsiaro matiantoka be mihitsy anie eeee 😪

Andao hazoto , andao hitombo !
Andao hihetsika, andao handroso !

P.s: Tao anatin'ny hakamoana ny tena teto fa au moins mba nazoto nanao selfie 🤣🤣

🌊 Rien n'est impossible à Dieu 🌊« Jésus les regarda, et leur dit : Devant les hommes, cela est impossible, mais devant D...
23/08/2026

🌊 Rien n'est impossible à Dieu 🌊

« Jésus les regarda, et leur dit : Devant les hommes, cela est impossible, mais devant Dieu, tout est possible. » — Matthieu 19:26

Cette montagne qui te bloque devant toi ? Pour Lui, c'est une toute petite chose. Ce problème qui semble sans issue, cette situation qui te serre le cœur, cette porte qui refuse de s'ouvrir... Rien n'est trop grand pour Celui qui a dit "Que la lumière soit" et la lumière est apparue ✨

Arrête de trop réfléchir avec ta tête humaine. Passe à une foi plus grande, plus large. Si c'est impossible pour toi, c'est justement l'endroit parfait pour qu'Il fasse Son miracle 💫

Oublie le réalisme qui t'empêche d'avancer. Crois en l'impossible. Lui, Il est le roi des chemins sans issue. Il transforme les impasses en nouveaux départs 🌼

Alors, lève les yeux et espère encore. Rien n'est perdu. Rien n'est fini. Avec Lui, tout peut changer🔥

Coucou mes Altesses 👑❤️Androany aho hizara aminareo  recette-na savon naturel pour visage  , fait maison moa izany izy i...
22/08/2026

Coucou mes Altesses 👑❤️

Androany aho hizara aminareo recette-na savon naturel pour visage , fait maison moa izany izy ity 🤗, miainga amin'ny savon neutre isika fa ampiana ireo ingrédients manamaivana ny imperfections antsika (tâche, Mony, gras,...)

Ka ireto avy ary ny akora ilaina:
☘️ Savon pour visage an'ny Nosy/ na Savony Nosy Kelly glycériné iny
☘️ Café moulu iray sotro fihinanana raha
☘️ Tamotamo iray sotro kely
☘️ Gel d'aloe vera na vahona
☘️ Vitamine E : gélules 5-10 isa ( eny amin'ny pharmacie rehetra tokony ahitana an'io vitamine E io avokoa 😁 )

Toy izao ary ny fikarakarana azy eeee :

🌸 Rapper-na ilay savony ,
Dia apetraka ao anatin'ny casserole na vilany kely manokana anaovanao azy dia atao eo ambony afo malefaka
🌸 Arotsaka ny vahona na gel d'aloe vera (arakaraky ny habetsak'ilay savony fa atao fotsiny izay ahazoana melange mitsonika rehefa mafana tsara ilay izy )
🌸 Araraka ny café + tamotamo vovony Dia afangaro tsara
🌸 Rehefa hitanao fa mifangaro tsara ireo dia esorina eo ambony afo amin'izay ka rehefa mangatsiatsiaka dia Araraka ny vitamine E dia afangaro tsara

🌸 Atao anatin'ny verre à jetter izy rehetra rehefa vita dia avela anaty toerana mangatsiaka mandra-pivaingany

NB: Azo asiana tantely koa raha tianareo annnn

✨ Azo ampiasaina isan'andro io Savony io , tsy vitan'ny hoe nettoyant fotsiny izy fa sady exfoliant no hydratant no éclaircissant

Andramo ary 🥰

Ps: 😝 Sary tsy misy idirany fa enga anie mba hatsiro be otran'io m**o mamy tazomiko io ny weekend-nareo 😍

Leçon du jour ✨Le seul regard qui compte, c’est celui que tu portes sur toi-même dans le miroir. Arrête de regarder le j...
20/08/2026

Leçon du jour ✨

Le seul regard qui compte, c’est celui que tu portes sur toi-même dans le miroir. Arrête de regarder le jardin du voisin pour arroser le tien. Ils n’ont pas vécu ta vie, ils n’ont pas tes cicatrices ni tes rêves. Sois jaloux de ton propre potentiel, pas de leur réussite. Crois en ta rage intérieure. Ne faiblis jamais. ⚡️

19/08/2026

Aza avela ho jamba ny fonao ❤️
Tsy hahita ny harena anatinao 🫶
Ario ny tahotrao sy ny henatrao 🥺
Dia velaro amin'izay ny elatrao 🧚🪽...
🎧🎶✨💫
Manidina ! mahaleova ! mahalasàna !

Ato ve misy olona atao hoe fétichiste ireny 🤪?Izaho marina taloha raha misy ny tsy dia raharahiako loatra ety amin'ny va...
19/08/2026

Ato ve misy olona atao hoe fétichiste ireny 🤪?

Izaho marina taloha raha misy ny tsy dia raharahiako loatra ety amin'ny vatako ety dia io tongotro io 🫣 fa izany hoe taty aoriana vao tsapako hoe nanao erreur be kay tamin' izany annn😓 ( Sady efa tongotra sakamalaho koa amin'io 😄😭)

Heyyyyy.... Io tongotra io mihitsy no mendrika ho karakaraina be satria io no milanja sy mizioga ny vatantsika rehetra anie isan'andro vaky izao e🥺. Noho izany dia mba tokony kolokoloina tsara izy reeeee 🦶

Tsy hoe miafina any anaty kiraro tsy misy mahatazana any izy dia hieritreritra isika hoe azo ihafiana foana izay endriny ao 🫪🤦‍♀️ ( Aza atao an'izany kosa izy eeeee😢 )

Andao indray aloha ary zaraina ny fikafika eeee🥰🥰

👠 Hafanaina aloha ny rano dia tsy voatery andrasana mangotraka be iny fa rehefa mafana dia esory . Miandriandry azy hangatsiaka Kely fotsiny amin'izay hafanana izay zaka iny isika vao afaka manomboka ka ataovy anaty koveta Kely azo handomana tongotra ilay rano ;
👠 Arotsahy tsikelikely ao ny sira vaingany , ny citron 1 kelikely ary karibonetra ;
👠 Afangarohy tsara ireo fangaro ireo dia ampidiro moramora ao ny tongotrao ;
👠 Lomana elaela ao ny tongotra roa ary tsy esorina raha tsy efa tsapanao hoe mangatsiaka ny rano ;
👠 Ataovy gommage amin'ny ireto fangaro ireto : huile coco na vahona , café, tantely, siramamy dia koseho moramora ary atao mouvement circulaire ;
👠 Rehefa afa-po ianao dia akobano tsara ny tongotra dia hamainina amin'ny lamba na servieta voatokana ho an'ny tongotra ;
👠 Vita izay rehetra izay dia osory vaseline na huile coco na huile d'amande douce ( na koa crème pour corps izay misy ao aminao ) dia fonosy papier film na bas kiraro .

Izay dia ho hitanao fa mahazo aina tsara ny tongotrao 😍😍

Address

Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Altesse / All Théis posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share