19/09/2026
IZA KOA NO EFA TRATRA ?
Izao Ilay tantara !
Nanao commande ny ramatoa Iray , tonga hoy izy hoe JP Zao (couleur an'ilay zavatra tiany ) aterina aty ( toerana anaovana livraison) Dia napetany ny contact.
Nalefa ny livraison. Tonga tany ny livreur, AVY eo IZY niteny tao amin'ny mp , naveriko hoy IZY fa Kely loatra tsy mety amin'ilay zavatra hilako azy fa firy hoy IZY ny refin'ireny ? Dia taitra aho Sady tezitra namaly azy , EFA mipetaka eo amin'ilay annonce daholo anie izany rehetra Izany ry madame e? fa angaha Ianao tsy mamaky tsara vao manao commande ? . Dia tsy namaly IZY fa hoy fotsiny hoe ngaha tsy misy lehibe kokoa ? Nalefako ny sary sy ny refy , sady mbola niteny azy ihany aho , tokony nanontany Ianao farafaharatsiny tao amin'ny mp .
Dia mbola mandoha frais indray vé aho hoy izy raha soloina an'ireo ny ahy? Eny hoy aho fa ianao tsy mi vérifié tsara ny entana commandinao.
Dia tsy namaly intsony moa izy.
Vao Maraina be amin'izay misy miantso
Allo ! Madame izaho Ilay namerina an'ilay zavatra tety ananona fa soloina an'io lehibe nalefanao io , dia apina an'ireto koa ( commande zavatra hafa maromaro)
Aleo apina an'ireo ny commande ko amin'izay tsy very ny frais de livraison indroa hoy IZY 😍.
Ajanoko eo ny tantara fa , izao , aza mora misendoatra aloha .
"Fa ny zavatra rehetra miara-miasa hahasoa Izay tia an'Andriamanitra "
Bisous daholo
Mbola mitohy ny promos antsika @ sac isotherme 💥
Livraison partout a Madagascar