Kristiana Mireha

Kristiana Mireha Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Kristiana Mireha, Design & Fashion, Anosy, Antananarivo.

AZA MIJERY NY OLANA MANODIDINA REHEFA MANATONA AN'I JESOSY FA MANDROSOA AMIN'NY FINOANAMatio 14:24-32Raha nahita an'i Je...
02/02/2026

AZA MIJERY NY OLANA MANODIDINA REHEFA MANATONA AN'I JESOSY FA MANDROSOA AMIN'NY FINOANA
Matio 14:24-32

Raha nahita an'i Jesosy nitsangatsangana teo ambony ranomasina ny mpianatra, izay nandeha sambokely โ›ต dia natahotra fa noheverin'izy ireo fa matoatoa Izy.
Hoy Jesosy taminy : "MATOKIA,fa Izaho ihany, aza matahotra."
Nahita izany Petera dia te hanatona Azy koa, kanefa vao nahita ny rivotra izy dia nilentika๐Ÿ˜ข ka niantso vonjy tamin'i Jesosy.๐Ÿ˜Š

Rehefa manatona an'i Jesosy dia:
๐ŸšซTsy amin'ny hafanam-po be fotsiny.
๐ŸšซTsy itadiavana dera
๐ŸšซTsy mijery ny olana manodidina .
๐ŸšซTsy amin'ny fisalasalana

Rehefa manatona an'i Jesosy dia:
โœ… Mandroso amin'ny finoana.
โœ… Mibanjina an'i Jesosy
โœ… Matoky ny Teniny
โœ… Raha sendra milentika noho ny tsy fahatanterahana dia Jesosy antsoina voalohany.

Hamakivaky volana vaovao indray isika.

H๐™ค๐™ฎ ๐™…๐™š๐™จ๐™ค๐™จ๐™ฎ: "๐™ˆ๐™–๐™ฉ๐™ค๐™ ๐™ž๐™–, ๐™–๐™ฏ๐™– ๐™ข๐™–๐™ฉ๐™–๐™๐™ค๐™ฉ๐™ง๐™–"
๐™ˆ๐™–๐™ฃ๐™™๐™š๐™๐™–๐™ฃ๐™– ๐™–๐™ข๐™ž๐™ฃ'๐™ฃ๐™ฎ ๐™›๐™ž๐™ฃ๐™ค๐™–๐™ฃ๐™–, ๐™–๐™ฏ๐™– ๐™ข๐™ž๐™š๐™ง๐™ž๐™ ๐™š๐™ง๐™ž๐™ ๐™– ๐™ข๐™ž๐™Ÿ๐™š๐™ง๐™ฎ ๐™ฃ๐™ฎ ๐™ค๐™ก๐™–๐™ฃ๐™– ๐™ข๐™–๐™ง๐™ค ๐™จ๐™–๐™ข๐™ฎ ๐™๐™–๐™›๐™– .
๐™๐™–๐™๐™– ๐™จ๐™š๐™ฃ๐™™๐™ง๐™– ๐™ก๐™–๐™ซ๐™ค, ๐™…๐™š๐™จ๐™ค๐™จ๐™ฎ ๐™–๐™ฃ๐™ฉ๐™จ๐™ค๐™ž๐™ฃ๐™– ๐™๐™–๐™ž๐™ฃ๐™œ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™›๐™– ๐™ข๐™ฅ๐™–๐™ข๐™ค๐™ฃ๐™Ÿ๐™ฎ ๐™ข๐™ค๐™ง๐™– ๐™–๐™ฏ๐™ค ๐™ž๐™ฃ๐™™๐™ง๐™ž๐™ฃ๐™™๐™ง๐™– ๐™„๐™ฏ๐™ฎ
Samia mahereza indray ,manaiky ho tantanan'i Jesosy .

Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra.

โœ๏ธ Voahary Razafimahefa
Vokovokomanga Fanantenana 67ha

FANTATRAO TSARA VE NY ANDRIAMANITRAOโ“Raha fantatrao tsara Izy dia :๐Ÿ‘‰Hanana finoana  Azy bebe kokoa ianao.๐Ÿ‘‰Na inona na in...
25/01/2026

FANTATRAO TSARA VE NY ANDRIAMANITRAOโ“

Raha fantatrao tsara Izy dia :
๐Ÿ‘‰Hanana finoana Azy bebe kokoa ianao.
๐Ÿ‘‰Na inona na inona mitranga eo amin'ny fiainanao dia hatoky Azy hatrany .
๐Ÿ‘‰Tsy hanana fanahiana na tahotra ianao.
๐Ÿ‘‰Tsy himonomonona na hitabataba ianao .
๐Ÿ‘‰Satrinao ny ho eo anilany mandrakariva .
๐Ÿ‘‰Tsy ho kivy izany ianao fa hanana fanantenana hatrany .
๐Ÿ‘‰Haharitra hatramin'ny farany ianao manaradia Azy .

๐Ÿ‘ŒDia sahy hanao fanekem-pinoana tahaka an'i Joba ianao hoe: "Jehovah รด. Fantatro fa hainao avokoa ny zavatra rehetra, ary tsy azo ferana ny fisainanao" Joba 42:2

Raha tianao ny hanana izany finoana mafy o***a izany dia mazotoa mamaky, mihaino ny Tenin'Andriamanitra. Tehirizo tsara ao an-tsaina fa aza avela handalo fotsiny. Araho vavaka. Iaino sy ivelomy isan'andro.

โค๏ธJesosy Kristy Ilay Tenin'Andriamanitra tonga nofo, Izay mandray ny Tenin'Andriamanitra , dia mandray an'i Jesosy ka hahalala tsara ny Andriamaniny, izay manome azy fiainana sy fiadanana.

Ho an'Andriamanitra irery ihany ny voninahitra. Amen!

ยฉ๏ธ Voahary Razafimahefa
โœ๏ธ Vokovokomanga Fanantenana
Kristiana Mireha

๐ŸMisaotra Andriamanitra fa tsy mamaly ny fivavako rehetra ianao. Misaotra fa Andriamanitra hendry sady mahalala ahy iana...
21/01/2026

๐ŸMisaotra Andriamanitra fa tsy mamaly ny fivavako rehetra ianao.
Misaotra fa Andriamanitra hendry sady mahalala ahy ianao mihoatra noho ny fahalalako ny tenako.
Matetika aho Tompo no maniry zavatra tsy takatro akory hoe manimba ahy.
Tsy azoko an-tsaina fa zava-doza raha nohefainao avokoa ny faniriako rehetra.

๐Ÿ‚Misaotra niaro ahy tamin'ny alalan'ireny "TSIA" maro be ireny.
Misaotra fa mitsinjo ny fiafarako ianao fa tsy mijery fotsiny izay hampahazo aina ahy anio.

๐ŸAmpianaro aho Andriamanitra o! hanaiky ny fitondranao fa tsy hidongy lava hitady ny fafahampon'ity nofo mampanota ity.
Tariho aho Tompo hitombo amin'ny fahalalana anao ny sitraponao mba hifanaraka amin'ny any am-ponao ny zavatra iriako.

Amen!
โœ๏ธGosic girl
Kristiana Mireha

Kristiana Mireha dia mirary herinandro vaovao mamirapiratra ho anao๐Ÿ™โ˜บ๏ธ
19/01/2026

Kristiana Mireha dia mirary herinandro vaovao mamirapiratra ho anao๐Ÿ™โ˜บ๏ธ

Bon week-end daholo  fans ๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚Kristiana Mireha โœ๏ธKristiana Memes
17/01/2026

Bon week-end daholo fans ๐Ÿ˜‚๐Ÿ˜‚
Kristiana Mireha
โœ๏ธKristiana Memes

Ndao๐Ÿ™๐Ÿ’ชKristiana Mireha   ๐Ÿซถ
05/01/2026

Ndao๐Ÿ™๐Ÿ’ช
Kristiana Mireha

๐Ÿซถ

Hoy ny Tompo : "Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no h...
01/01/2026

Hoy ny Tompo : "Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho, ary mandra-pahafotsy volonareo, dia Izaho ihany no hisahirana mitondra anareo. Izaho no nanao, ka Izaho ihany no hitrotro, eny, Izaho no hitondra sy hanafaka." Isaia 46:4

Bonne annรฉe 2026๐Ÿฅฐ
2026 manakaiky an'Andriamanitra๐Ÿ™๐Ÿซถ
Kristiana Mireha

Address

Anosy
Antananarivo
101

Telephone

+261344349800

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kristiana Mireha posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Contact The Business

Send a message to Kristiana Mireha:

Shortcuts

Share