23/07/2026
Salama daholo isika eto amin'ny pejy. ❤️
Te hanao vidéo sy hamoaka ny entako aho, saingy isaky ny mahita ireo ray aman-dreny mitomany ny zanany, sy ireo zaza tsy manan-tsiny very aina amin'ny fomba mampivarahontsana, dia tsy manana hery aho 😭. Tsy zakako ny hiseho mitsiky sy mifaly, nefa ao am-poko feno alahelo.
Tsy havako izy ireny. Tsy namako akory. Fa Malagasy tahaka ahy.😔😔
Tena mandalo fotoan-tsarotra ny firenentsika. Tsy mendrika izao ny zanaka Malagasy. Tsy mendrika izao fijaliana izao ireo ray aman-dreny. Tsy mendrika hiaina ao anatin'ny tahotra isika.😔😔
Koa androany dia tsy misy hafatra hafa afa-tsy izao: ⏺️Andao hiara-hivavaka ho an'i Madagasikara. Samy mangataka amin'Andriamanitra mba hampitsahatra ny habibiana, hampanjaka ny rariny, ary hiaro ny ain'ny tsy manan-tsiny.
Raha samy mampirehitra labozia ao an-tranontsika isika, na ara-bakiteny izany na ao am-pontsika, ary miara-mivavaka amin'ny fo madio, dia mino aho fa mbola hisy hazavana handresy ny haizina.
Mirary fiononana lalina ho an'ireo fianakaviana rehetra namoy havana. Tsy irery ianareo. Miara-mitomany aminareo ny fon'ny Malagasy maro.
Mino aho fa tsy maintsy handresy ny mazava, ary tsy haharitra mandrakizay ny maizina. 🤍