23/09/2024
Bonne semaine ❤️❤️
Ny fanapahan-kevitra mila raisinao dia mety hampiova tanteraka ny fiainanao amin'izao faran'ny taona izao. Mbola azo atao tsara ny mahita vokatra goavana raha ampiharinao ireto:
✅ Mifohaza alohan'ny olona rehetra.
Raha mpifoha amin’ny 6 ora ianao taloha dia miezaha mifoha aminy 5 ora. Rehefa mifoha, dia:
- Mianara zava-baovao.
- Manaova business kely.
- Mampihetsika vatana.
✅ Diovy ny endrikao.
Rehefa mivoaka ny trano dia manaova fitafy madio sy milamina ary manisà manimanitra. Misy opportunité kokoa aminy ianao manao madio iny
✅ Sahia miala ny namana toxic.
Misy onde mifindra avy amin'ny namana, ka mila mitandrina. Tandremo ny namana manary anao any amin'ny lalan-dratsy.
✅ Manangona mba hampiasa, fa tsy manangona mba ho lanina.
Aza manao toy ny mahantra manangom-bola, fa manaova toy ny mpanan-karena manangom-bola. Izay voahangona dia ahodina, fa tsy tahirizina fotsiny ao.
✅ Raiso an-tanana ny fidiram-bolanao.
Aza ankinina amin'iza na amin'iza ny fidiram-bolanao fa raiso an-tanana.
Ohatrinona ny vola tianao hampidirina? Soraty izany. Mamorona foana fidiram-bola hafa hahatonga anao hanana loharanom-bola maro, fa tsy miankina amin'ny asa tokana, sao raha voaroaka dia tsy misy fidiram-bola intsony.
✅ Ny farany, aza mandatsaka ranomaso amin'olona tsy tia anao.
Hatsarao fotsiny ny fiainanao, dia avelao izy hitomany sy hifona aminao, mahita ny fivoaranao.
✅ Mamorona business en ligne.
Ny business en ligne dia anisan'ny hetsika mampidi-bola be amin'izao fotoana izao, ary tsy mila fond avo be. Raha te ho tafita dia mila mahay misintona olona sy mivarotra.
Misy stratégie maro momba ny fivarotana en ligne hozaraina manomboka ny 01 Oktobra izao, ho an'ny mpanao vente en ligne tsy mbola mahomby, sy ho an'ireo mpivarotra serivisy. Maro amintsika no tsy mahalafo mihitsy raha tsy manao boost. Ny sasany ary lany vola manao booste fotsiny. Mila mianatra mivarotra isika
Mandefasa hafatra miafina raha liana te hahay hivarotra fa fiofanana feno mandritran’ny 4 andro izy io sady en ligne
Raha manomboka business en ligne izao, afaka volana iray dia tokony ho efa mahampiditra 500.000 na 1.000.000 Ar isam-bolana ianao. Hafa ihany ny manana loharanom-bola hafa amin'izao fotoana izao.
Réussir avec Martin