31/03/2026
โ๏ธโจ๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐โ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐
๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐๐๐๐ ๐๐ ๐๐๐๐-๐๐ ๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐๐-๐๐๐๐๐๐๐๐๐โผ๏ธ
โซ๏ธ Hatreto dia olona 06 voasambotra taminโny fivarotana mialoha ny laza adina nanaovana fifaninana hidirana ho Mpitsara eto Madagasikara. 03 taminโizany nahiditra am-ponja vonjimaika eny Avaradranoโ raha napetraka eo ambany fanarahamasonโny Fitsarana ny 03 ambiny. Izy ireo izay voarohirohy taminโny fivarotana laza adina mialoha ny fanadinana taminโny sarany 01 Tapitrisa Ariary.
โช๏ธManoloana izany dia mandeha ny resa-be sy tsaho an-tambazotran-tserasera mba hisontonana ny sainโny manampahefana sy tompon'Andraikitra eo anivon'ny Fitsarana fa indrindra ny Ministera mpiahy aminโny tokony hanafoanana na hamerenana iny fifaninana ka miteraka adin-tsaina vaovaoโ sy tebiteby ary ahiahy aminโny mety hampidirana ireo izay tsy afa-panadinana na sanatria misy zanaka mahitahita tsy tafiditra ka ho ampidirina...
โ๏ธ Malahelo izahay izay efa nanao ezaka rehetraโ tsy mandry alinaโ tsy mandry antoandro mianatra lesonaโ lany vola nivezivezy avy any aminโny faritra miakatra aty Antananarivoโ nilofo mafyโ snsโ mba ahafahana taminโiny fifaninana iny nefa izao kasaina foanana na averina tsotra izao noho ny endrika kolikoly na fitiavan-tenanโny sasany izay tia kelyโ tsy mitsinjo ny mangarahara sy ny hoavinโny taranakaโ hoy ny fanehoan-kevitra nataonโireo mpianatra miantso ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika Malagasy ( Prรฉsidence de la Refondation de la Rรฉpublique de Madagascar - PRRM ) โ ny Praiminisitra Lehiben'ny Governemanta ( Primature - Lapan'i Mahazoarivo ) ary ny Minisitry ny Fitsarana ( Ministรจre de la Justice de Madagascar ) mba hijery akaiky momba io raharaha fifaninana eo anivon'ny ENMG io ary hampihatra lalร na aminโireo tratra nanao hosoka na nivarotra laza adina na nanjifa izany.
โ
Aoka ny lalร na no ampiharina aminโireo voakasikโizany fa tsy ny Zanaka Malagasy rehetra ho potehina noho ny fitiavan-tenanโolom-bitsy ! Tokony hamafisina ny fanadihadiana ka izay tratra nandika lalร na faizina fa tsy ny Mpianatra na Mpifaninana rehetra izay nanao ezaka mafy ho anโny hoaviny. Misy ireo kambotyโ misy zanaka Tantsaha Sahiranaโ misy ireo efa somary nahazo taona (mety ho tratry ny limite d'รขge)... Niezaka mafy mba ahafahana mahazo vokatra tsara ho an'ny hoaviny nefa potehina tsotra izaoโ tsy rarinyโ hoy hatrany izy ireo naneho ny alahelony manoloana ny zava-misy.
๐ Andrasana araka izany ny fanapahan-kevitry ny Minisitry ny Fitsarana sy ireo Manampahefana momba izany mba hijery ny rarany ary ampihatra ny hitsiny hoanโny Zanaka Malagasy.
- - Aboaho Ankiaka โ๏ธ๐ฒ๐ฌ