14/04/2025
Anecdote kely 🙂
Rehefa akaiky fety kristianina toy izao moa dia betsaka ny commande kojakoja kely hanaovana amin'ny batisa na batemy. Tena mahafinaritra ahy ny miangaly azy ary tena fenoiko fitiavana be dia be. Manaraka eny ihany koa ny tonombavaka kely : " Jesoa ô, misaotra Anao fa mitombo iray indray ny olona hanara-dia Anao ary handray ny tombokase avy aminao, ka mino aho fa handray fitahiana avy amiNao ihany koa izy miaraka amin'izany. Aoka ny Fanahy Masinao no hitarika ny diany, hanamasina sy hampahery azy. Mba hitombo fahalalana sy fahendrena ambany fitantantaNao. Dia mbô ataovy mahafatifaty kely izy manao anreto zavatra namboariko ireto ❤😊😊. Amen 🙏"
Rehefa haiko moa ny anaran'ilay zaza dia tononiko.
Misy maromaro ny mitaraina fa sahirana, dia ataoko araka izay fahefan'ny vidin'i Dada sy neny. Izaho koa sahirana, tena sahirana fa zava-dehibe amiko ny fahavitan'ny batisa na batemin'ny zaza. ( Dia sao hisy hanararaotra be eo an 😁)
Fandraisako anjara amin'ny fanitarana ny fanjakan'Andriamanitra, ary mba tsy ho very maina ny aina nafoin'i Jesoa Kristy teo ambony hazo fijaliana. Handray ny P***a rahateo isika tsy hoe ela.
Samia hotahiana avokoa. ❤❤