28/08/2026
🤤 Te hanao gaufres matsiro, malefaka ao anatiny ary mamy tsara ivelany ve ianao?
Tsy mila akora sarotra akory! ❤️
Ity misy recette gaufres mora sy matsiro azonao atao ao an-trano. 🧇✨
❌❌ Mivarotra machine à gaufres ihany koa izahay amin'ny vidiny mirary
🧇 RECETTE GAUFRES
Akora ilaina :
250 g lafarinina
8 g levure chimique
70–80 g siramamy
Atody 2
50 cl ronono
100 g dibera efa natsonika
½ sotrokely sira
1 sotrokely vanille (tsy voatery)
👩🍳 Fomba fikarakarana :
1️⃣ Afangaro ao anaty bol ny lafarinina, levure chimique, siramamy ary sira.
2️⃣ Ampio ny atody, dia afangaro tsara.
3️⃣ Araraka tsikelikely ny ronono, sady kapohina amin’ny fouet mba hahazoana pâte malama.
4️⃣ Ampio ny dibera natsonika sy ny vanille, dia afangaro tsara.
5️⃣ Avela hipetraka mandritra ny 15 na 20 minitra eo ho eo ny pâte.
6️⃣ Hafanaina tsara ny gaufrier, hosorana dibera na menaka kely raha ilaina, avy eo arotsaka ny pâte. Andrahoy mandritra ny 3–5 minitra, na mandra-pahazoany loko volamena tsara.
Azo aroso miaraka amin’ny siramamy glace, voankazo, chocolat na caramel.
Bon appétit daholo dia aza adino ny mi-suivre an'ny page !