01/03/2026
Mankasitraka tompoko C'est du Joely 🙏🏻🙏🏻
Ny tena marina dia tokony ho andro natokana ho an’ny LEHILAHY ny 8 marsa.
Andro hanabeazana ny lehilahy amin’ny fanajàna ny zon’ny vehivavy, izay tsy tokony hotenenina akory hoe zon’ny vehivavy fa Zon’Olombelona tsotr’izao satria mitovy ny zon’ny lahy sy ny vavy. Satria samy Olombelona.
Dia miangavy re tompoko mba tsy ho défilé fanaovana lambahoany sy masonjoany intsony ny 8 marsa amin’izao Fanavaozana izao, fa mba ho andro misy ventiny sy varany. Tokony ho andro fitakiana ohatr’ireny tolona natao ireny satria Zo Fototra no mbola voahitsakitsaka ka mila takiana amin’ny fomba entitra, mba hisian’ny fanapahan-kevitra, lalàna sy rafitra, miaro sy miantoka ny zon’ny vehivavy.
Averina foana foana isan-taona fa TSY FETY ny 8 marsa fa FITAKIANA, FITOROHANA satria:
🗣️Mbola maro loatra ny vehivavy iharan’ny herisetra nohon’ny amin’ny mahavehivavy azy.
🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy maty novonoin’ny lehilahy (féminicide)
🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy tsy mitovy karama amin’ny lehilahy nefa mitovy traikefa sy diploma
🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy iharan’ny « harcèlement sexuelle » any an-tsekoly, any am-piasana, eny an-dalambe, n’aiza n’aiza!!
🗣️Mbola maro loatra ny zazavavy tsy alefa mianatra
🗣️Mbola maro loatra ny zazavavy sy vehivavy terena hanambady, misy ny amidy na atao takalo.
🗣️Mbola maro loatra ny vehivavy tsy mahazo asa satria vehivavy
🗣️Mbola maro loatra ny vehivavy tsy avelan’ny vadiny hiasa
🗣️Mbola maro loatra ny vehivavy iharan’ny tsindry ara-bola ao an-tokatrano
🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy tsy mahalala akory ny tena zony
🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy miheritreritra fa ambanin’ny lehilahy izy ary tokony hilefitra
🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy voaolana ao an-tokatrano ary heveriny fa zon’ny vadiny izany
🗣️ Mbola maro loatra ny vehivavy tsy manana fahefàna amin’ny fanabeazana aizana (accès à la contraception)
🗣️ Mbola vitsy loatra ny rafitra miaro ny zon’ny vehivavy sy mandray an-tanana ny vehivavy iharan’ny herisetra amin’ny faritra manerana an’i Madagasikara
🗣️ Mbola kely loatra ny 8 marsa indray mandeha isan-taona satria mbola lavitra loatra ny lalan-kombàna.