Kiala Jejo By Al'Soa

Kiala Jejo By Al'Soa Faly mandray anao izahay eto @ page Kiala Jejo! Natao izy ty mba hizarana torohevitra sy varotra mahasoa ny rehetra! Contact:037 59 060 51

Inona Zao no hitanareo voalohany  sary ty?🥰     le couleur-ny le akanjo ve                       sa     le moto sa le pa...
18/03/2026

Inona Zao no hitanareo voalohany sary ty?🥰
le couleur-ny le akanjo ve
sa
le moto sa le paozin'le mpitondra azy

Tiako fotsiny lay sary😍

04/03/2026

Ikiala Jejo

Jejo ery ilay madama
toa mangirana malama
manao izay mampiomehy
feno menaka tarehy

dia akifika ny volo
fa hoe tsara kolokolo
ovaina kely ny filatrony
ny kiraro no akatrony

Jejo ery hono i kala
ho an'ireo tsy mahalala
ka manao izay tena mety
mampidera salopety

mampiseho hoe mitsitsy
na mafana na mangitsy
mitafy lamba fohy loatra
akanjo mampitranga foitra

Jejo ery ilay sipa kely
fa mihevitra ho anjely
dia manao izay mahasarika
mitsiky nefa toa mangarika

ka aleo aloha bataiko
ilay lasopy nafanaiko
sao variana manakiana
ilay sipa mahasondriana

Araho maso ihany ny ankizy ry Ray aman-dReny a!🥺😥
25/02/2026

Araho maso ihany ny ankizy ry Ray aman-dReny a!🥺😥

⛔️RY RAY AMAN-DRENY ⛔️
Vaky ny foko naheno vao maraina fa nanao challenge hitany tao amin’ny tiktok no nahafaty ilay zaza , malagasy izy 💔
Tsy mandihindihy fotsiny akory no anaty tiktok sao variana isika , maro ny challenges mampivarahontsana aho :
- mitroka ireny bombe aérosol ireny : peinture, deodorant, laque fanao amin’ny volo, fanadiovana sns … mahadomelina minitra vitsy izy ireny , kanefa mety tonga dia ahafaty satria miditra any anaty ati-doha sns ny produits chimiques .
- mamato-tenda amin’ny tady dia rehefa mitady ho torana dia vahana … indrisy tara loatra.
- mihinana karazana fanafody izay hita ao an-trano … maty avieo .
AZA VARIANA ISIKA 🙏🏾
Araho-maso ny zanaka fa sarobidy izy ireo. ❤️
Mankahery tompoko. 🥺

Address

Ambohimangakely
Antananarivo
101

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Kiala Jejo By Al'Soa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Shortcuts

Share