03/06/2026
🧠👶 Zaza tara vao mahay miteny : ara-dalana ve ?
Maro amin’ny ray aman-dreny no manana zanaka toa misy fahatarana amin’ny fahaizana miteny 😟
Marina fa tsy mitovy ny fivoaran’ny zaza tsirairay, nefa indraindray dia miteraka fanahiana ihany izany rehefa mahita zaza mitovy taona amin’ny zanakao efa mahay miteny tsara kanefa ny anao mbola tsy dia miteny loatra… sa tsy izany ?
Andao ary ho fantarina androany 👇
Rahoviana no tena tokony hanahy isika ?
🟢 ARA-DALANA raha toa ka :
✔️ Somary tara kely (manodidina ny 2–3 taona) vao manomboka miteny, nefa hita hoe mivoatra tsikelikely ihany izy
✔️ Azony tsara izay lazaina aminy, na dia mbola tsy mahay miteny mazava aza izy
✔️ Miezaka mifandray amin’ny alalan'ny fihetsika izy rehefa tsy mbola afaka milaza mazava tsara izay tiany ambara
👉 Raha ireo no miseho dia matetika fivoarana miadana fotsiny, tsy misy tokony ahiana be.
🧩 Ny antony mety mahatonga izay fahatarana izay dia :
🔹 Fanaovana fiteny maro ao an-trano (malagasy + frantsay + anglais sns)
🔹 Tsy dia misy olona miresaka be aminy ao an-trano
🔹 Tsy dia misy stimulation (lalao, boky, sns). (Miseho matteika ity ho an'ny zaza zatra mijery écran)
⚠️ Rahoviana no tokony hanahy ?
❗ 2 taona mahery nefa mbola vitsy kely azo isaina na koa tena tsy misy teny hainy tenenina mihitsy
❗ Tsy mahazo tsara izay lazaina aminy izy
❗ Tsy mijery na maneho fahalianana izy rehefa iresahana
❗ Mamerina feo fotsiny izy fa tsy miteny teny misy heviny
👉 Raha ireo no mitranga dia tsara manatona mpitsabo hanaovana fizahana akaiky azy.
💛 Inona no azonao atao hampivoarana ny fahaizan'ny zaza iray miteny ?
💬 Miresaha aminy matetika amin’ny teny tsotra
📖 Amakio tantara kely isan’andro izy
🎯 Amporisiho izy haneho hevitra, na dia amin’ny fihetsika aza
💛 Aza terena, fa amporisiho tsikelikely
💬 Misy manana zanaka tara vao nahay niteny koa ve ato ?
Firy taona izy vao tena nanomboka niteny tsara ?
Zarao ny zatra nataonareo sao mba hanampy ray aman-dreny hafa 💛