Mora kapa

Mora kapa Contact information, map and directions, contact form, opening hours, services, ratings, photos, videos and announcements from Mora kapa, Apparel & Clothing, 67ha, Antananarivo.

12/07/2024
12/07/2024

Iza Avy le mbola tsinahazo kapa anakizy ao eee

Raha tanora te ho lasa lavitra amin'ny fiainana 1 . Manàna aloha tanjona ny ho lasa lavitra. Ny tanora mahantra indrindr...
09/07/2024

Raha tanora te ho lasa lavitra amin'ny fiainana

1 . Manàna aloha tanjona ny ho lasa lavitra.
Ny tanora mahantra indrindra dia ny tanora tsy manana tanjona ny ho lasa lavitra fa mihonona amin'ny fiainany androany.

Diniho ny tenanao sao ianao ihany izay olona izay dia hialao manomboka izao. Manàna nofinofy sy tanjona mazava

2 . Ataovy fady ny hanao firaisana amin’ny olona vao fantatra .
Na vehivavy ianao na lehilahy dia tsy porofom-pitiavana izany tonga dia firaisana izany fa porofon’ny adalana sy tsy fanajana tena.

Fahafinaretana 5 minitra fotsiny dia efa hamotika ny planina tsara rafitra amin'ny fiainanao

3 . Aza maika ny hanam-bady

Mety misy olona any hitanao hoe nanam-bady aloha izy fa ny fiainana hitanao hoe tafa ; aza maika ny hanaraka azy ireny aloha satria misy amin’izy ireny nge mba tratrany tsy nampoizina e!!! fa tsy hitany izay atao fa tsy maintsy niainany.

Ka raha mbola azonao hialana dia hialao fa manàna aloha asa , ataovy aloha ny ahatonga anao ahaleo-tena .

4 . Mahaiza mandrindra ny fomba fiterahana.

Marina fa harena ny zanaka fa raha tsy hainao ny mandanjalanja ny fomba fahatongavan’io dia miteraka fahantrana koa io satria tsy ho fahanana amin'ny vovoka ny ankizy fa tsy maintsy mila vola

Ary tadidio fa arakaraka ny mampitombo ny isany zanakao no mampitombo ny fandaniana ao an-tokatranonao ka raha ny zaza no mitombo isa nefa ny toe-karenanao tsy miova fa mijanona eo dia lasa ho mahantra ianao satria tsy aharaka.

Aza faly manaraka ny toro-hevitra hoe haterao fa velona foana io e . Mila mandeha am-pisainana foana

5 . Manàna vady manana tanjona
Tsy ampy intsony ny tiako ianao na je t’aime fa manàna vady manana tanjona ny ho lasa lavitra mitovy aminao satria ny fiainanao dia miankina aminy.

Ka tandremo ny vady kamo na tianao aza izy satria na maso mifampijery aza anie mampiady mpivady raha noana ny kibo e!.
Mila samy miketrika dia lasa lavitra

Zarazarao ary mba ho hitany hafa

09/07/2024

Tonga tih ny vanipotoana fialantsasatra sahirana arapotoana veh enao tsiafka ietsna kapa anakizy? Afaka manome fahafahampo anao zahay ee

Address

67ha
Antananarivo

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Mora kapa posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share