13/07/2026
Salama daholo 😊
Tsy fombako loatra ny manoratra lava, fa androany kosa dia te hizara torohevitra vitsivitsy ho an'ireo olona mitady asa aho. Mety efa fantatry ny sasany izy ireny, fa mety hanampy be kosa ho an'ny hafa.
📌 Rehefa mahita tolotr'asa mifanaraka aminao ianao :
✅ Vakio tsara aloha ny fanazavana rehetra sy ny fepetra takian'ilay tolotr'asa. Matetika dia efa voasoratra ao daholo ny dingana tokony harahina.
✅ Raha voalaza hoe "Mandefasa MP", dia ianao no mandefa hafatra voalohany.
Ohatra tsotra : "Salama tompoko. Liana amin'ilay tolotr'asa nozarainareo aho. Mety hahazo fanazavana fanampiny ve azafady?"
👉 Ny fiarahabana sy ny fahalalam-pomba dia efa manome fahatsapana tsara avy hatrany.
✅ Raha misy mailaka na lien handefasana CV, dia alefaso any mivantana ny CV sy ireo antontan-taratasy angatahina.
❌ Aza mijanona amin'ny commentaire hoe : MP, intéressé, inbox svp,...
Satria matetika (mba tsy ilazako hoe tsy misy) dia tsy hanatona anao amin'ny MP ilay mpampiasa. Ianao no tokony hanaraka ny toromarika nomeny. 😊
📌 Momba ny CV :
✅ Ataovy PDF foana ny CV. Ny format sary (photo) dia mety hampihena ny kalitao ka lasa manjavozavo rehefa voaray.
✅ Omeo anarana mazava ilay fichier.
Ohatra : "CV_Rakoto_Tiana_Comptable" na "CV_Rabe_Jean_Réceptionniste"
❌ Fadio ny anarana toy ny : CV123, nouveau CV Document1, CV exemple,...
📌Rehefa mandefa CV amin'ny mailaka :
✅ Ataovy pièce jointe ny CV, fa aza apetaka ao anatin'ny corps du mail, raha tsy hoe izany no angatahin'ilay mpampiasa.
✅ Aza mandefa CV fotsiny dia vita. Manorata hafatra fohy sy milamina.
Ohatra :
"Bonjour,
Veuillez trouver ci-joint mon CV suite à votre publication concernant le poste de Réceptionniste.
Je reste à votre disposition pour tout complément d'information.
Cordialement."
✅ Ny objet an'ilay mail dia ataovy mazava, ohatra :
"Candidature – Réceptionniste" na "Candidature au poste de Conseiller Clientèle"
💡 Tsarovy : ny fomba andefasanao candidature no fahatsapan'ny mpampiasa anao voalohany. Indraindray dia ireo antsipiriany madinika ireo no mahasamihafa kandidà roa mitovy traikefa.
🌸Amin'ny manaraka indray dia hiresaka momba ny entretien d'embauche isika. 😉
Raha misy torohevitra hafa hitanareo fa mahasoa nefa tsy voaresaka teto, dia aza misalasala mizara azy ao anaty commentaire. Mety hanampy olona maro izany. 😊
Mirary fahombiazana ho an'ny mpitady asa rehetra!