03/03/2025
Ato amin'ny 'Ndao, isaky ny dingana ataontsika dia ezahana izany hanampy amin'ny fanorenana an'i Madagasikara lovain-jafy 🌿🛤. Tsy vitan’ny hoe mamorona akanjo sy kojakoja mampihena ny fiantraikan'ny asanay amin'ny tontolo iainana izahay fa manorina ihany koa "hub", toerana ifaneraserana, ahafahana mampifandray ny fanentanana, ny fampifohazana ary ny hetsika momba ny fiarovana ny tontolo iainana.
Raisinay ho ainga-panahy ity sary ity tamin’ny namoronana an’i ‘Ndao, izay hahitantsika lalam-by eny amin’ny faritra Atsinanana an’i Madagasikara, hahitana lalan-kely maintso mafinaritra. ‘Ndao atao hoe lalana izay diavintsika miaraka izy io, hitarika antsika amin’izany dia izany ny soatoavina maharitra sy ny fifandraisana. Arak’izany dia amin'ny alalan'ity pejy ity izahay manome sehatra ho an'ny tsirairay hizaha sy hizara fomba fijery, amin'ny fomba hahatonga an'i Madagasikara ho maitso kokoa.
🌱 Zarao aminay ny hetsika sy ny hevitrao momba an’izany. Ampiasao ny ashtag ary hasehoy anay ny fietsikao andavan’andro na ny anjara birikinao amin'ny fananganana Madagascar lovain-jafy.
‘Ndao ary!
-----------------------
Chez 'Ndao, chaque pas compte dans notre voyage collectif vers un Madagascar durable / lovain-jafy 🌿🛤
Nous nous dédions non seulement à créer des produits « eco-friendly » mais aussi à former un hub, un espace interactif qui fusionne mobilisation, sensibilisation et initiatives en faveur de l'environnement et de la conservation.
Laissez-vous inspirer par ces sentiers verdoyants de la région Atsinanana à Madagascar, un chemin que nous parcourons ensemble, guidés par des valeurs de durabilité et d'interaction. Sur notre page, nous visons à offrir un espace où chacun dans notre communauté peut explorer et partager des perspectives pour un Madagascar plus vert.
🌱 Partagez vos initiatives et vos pensées sur la durabilité avec nous. Utilisez le hashtag pour nous montrer comment vous contribuez à un Madagascar « lovain-jafy », comme on dit !
‘Ndao ary !