21/04/2025
A ma chère fille
TSIKI Athena
1. Tamin’ny fotoana nahatongavanao,
Ny foko nitempo tam-pitiavana vao,
Kely sy marefo, fa mamiratra tokoa,
Tanteraka aminao ny nofinofy soa.
2. Ny tsiky voalohany, ny teny malefaka,
Ny masonao mibaliaka, ny endrikao sariaka,
Mampitombo ny fifandraisantsika,
Mifamatotra mandrakizay ny fontsika.
Hitombo ianao, hitady lalana,
Ho eo foana aho hitantana,
N’aiza n’aiza alehanao,
Ny fitiavako hiaro anao.
Ianao no antom-pisiko,
Ianao no anton’ny fifaliako,
Ny fontsika miara-mitempo,
Ataontsika lavitra ny sento.
3. Hitombo ianao, hanana nofy,
Maniry anao hatanjaka, tsy ho farofy,
Aza misalasala, manaova dingana lava,
Ny aloka rehetra anie hisava.
Mifikira amin’ny nofinao,
Asandrato avo ny anaranao,
Aza mora kivy, aza manary toky,
Tsarovy foana, foana…
Neny tsy hanary anao.
Maman AilE
05 mars 2025