23/01/2026
♡
Ilaina ny mizara fitiavana fotsiny, dia mifaly fa afaka nizara izany na tsy nifamaly tamin'ny tao anatinao aza izay mba tany amin'ilay olona.
Ilaina ny mifaly satria nomena fahafahana namboraka izany ianao, ary nomena fotoana nahafahana nizarana zavatra tsara.
Mifalia fa nisy fanantenana afaka nozarainao satria izany no fonosin'ny fitiavana, fa tsy sanatria fifandrafiana sy fankahalàna no nipololoitra tao.
Mianara afa-po satria nomena olona nahafahana namoaka izay tena lalina tao am-po, nomena fotoana nianarana nitia sy nahasambatra ilay tiana. Na hafiriana faharetany...🥹🤎
............
Misaora an' Jesosy, fa nomeny anao ny fotoana ahafahanao mitia. Tsy navelany ho lanianao amin'ny fankahalàna na lolom-po ny andronao, fa kosa FITIAVANA.
Misaora an' Jesosy, mampahafantatra anao ny tena lanjan'ny fitiavana, dia ilay napetrany tamintsika mba hiainantsika mpanara-dia Azy.
Misaora an' Jesosy, nanokatra ny masom-panahinao : Hoe MIZARA FOTSINY DIA AMPY, tsy mila fanontaniana be na fiandrasana valiny.
Fa MITIA fotsiny dia izay!
Misaora AZY manampy anao hijery ny tanjon'ny fitiavana napetrany, amin'ny fomba Fijeriny azy fa tsy izay ao am-ponao ao fotsiny.
.............
Jesosy NIZARA ny tao am-pony fotsiny na dia tsy mbola nisy nantenaina be aza, tamiko sy taminao (Jao,15:13). Natolony fotsiny Ny Ainy na hanaiky sy hino Azy isika na tsia, tsy fantany izany hoe valin-teny andrasana (tahaka ny fombantsika olombelona). Fa ny fantany kosa, dia ny fitiavana afafy TSY MAINTSY MISY VOKATRA.
♡