22/06/2023
♥️♥️♥️
🇲🇬 SAINAM-PIRENENA MALAGASY 🇲🇬
💡Inona ny hevitr'ireo loko amin'ny sainantsika ?
⚪ Fotsy : mariky ny fahadiovana, ny filaminana , marikin'ny fahalalana.
Fotsy manjompika tahaka ireo salohim-bary rehefa fotoambokatra ihany koa, ny vary izay fototsakafon’ny Malagasy.
🟢 Ny maitso izay mariky ny fanantenana dia mampiseho ny hamaintsomavan’ny Nosy izay mampifandray ny Malagasy iray manontolo. Saika manerana ny Nosy dia ahitana maitso avokoa na ny ravinala izany mandrafitra ny any anindrantany, na ireo voly sy ala maitso manemotra ny afovoantany
🔴 Ny mena na mena ràn’omby izay mariky ny fiandrianana, ny fandresena dia loko natokana ho an’ny mpanjaka tany aloha, taty aoriana kosa dia nitory ny firaisam-pirenena satria lokon’ireo biriky tanimanga mandrafitra ny ankamaroan’ny trano miorina manerana ny Nosy.
🤔Ahoana ny fametrahana azy?
⚪ (fotsy) Mitsangana
🟢 ( Maitso) Mitsivalana
🔴 (Mena) Mitsivalana ambonin'ny maitso
🇲🇬 Madagasikara_mamiko_tiako ❤️💚🤍
Feno fankasitrahana ireo nitolona ho an'ny Tanindrazana 🇲🇬🇲🇬🇲🇬